Politique

Donak'afo :Zoma hahafinaritra ve ?


  • Zoma 03 Mey 2013

Andro lehibe eo amin’ny tantaran’ny famahana ny krizy ny anio satria fotoana voatondro fa hamoahan’ny CES ny anaran’ireo kandida afaka hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

 Betsaka ny resaka mandeha etsy sy eroa, saingy na ahoana na ahoana ambara dia tompon’ny teny farany ireo mpitsara ambony 9 mianadahy mandrafitra ny CES, ka tarihan’ny filohan’ny HCC, Rajaonarivony Jean Michel. Mialoha ny nanaterana ny dosie teny Ambohidahy dia efa maro ny kandida nihetsiketsika nanomana kianja, taorian’ny nanaterana ny dosie dia efa nisy koa ireo nitsidika faritra maro samihafa manerana ny Nosy. Nisy ireo kandida tsy nihafahafa fa tonga dia nampiseho fa manana ny ampy hiatrehana propagandy mafana : trano be, sary goavambe arenty amin’ny rindrina, fiaramanidina raitra dia raitra, fiara 4X4 maro. Ao koa ny mampiasa tsotra izao ny toerany sy ny fahefany ao anatin’ny fitondrana ka mampiasa mivantana na an-kolaka ny tsindry bokatra hanerena ireo olom-boatendry sy olom-boafidy hanara-dia azy sy hampandany azy.

Tsy mahandry tantana fa tena maika ny fahitana ireo kandida avy amin’ny ankolafy Rajoelina, hita fa tena mbola mangetaheta fitondrana sy fahefana, fa tsy dia tena any amin’ny hoe fitiavan-tanindrazana izany ny eritreritr’izy ireo. Raha tena tia tanindrazana mantsy izy ireo dia nampiseho ohatra tsara ho an’ny olom-pirenena amin’ny fanajana ny tenany sy ny fanajana ny lalàna sy etika ary soatoavina momba ny fifidianana.

Tsy dia mahagaga ilay fihetsika tendan-kanina rehefa nodinihana ny fomba nitantanan’izy ireo ny firenena nanomboka tamin’ny 2009. Goavana koa noho izany ny asa miandry ny olom-pirenena hifidy satria tsy afaka ny hanandrankandrana intsony i Madagasikara fa efa tena potiky ny krizy tanteraka. Asa izay mety havoaky ny CES sy ny mety ho fihetsik’ireo tsy tafiditra anatin’ny lisitra. Mbola resaka hafa koa izay fehin-kevitra hivoaka avy amin’ny diniky ny FFKM, hiverina horesahana indray ve ny fananganana tetezamita vaovao izay midika avy hatrany ny fanemorana ny fifidianana sa ahoana ? Hafana dia hafana ity faran’ny herinandro ity, miankina amin’ny valintenin’ny CES ny hampahafinaritra na tsia ity zoma ity !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT