Politique

Donak'afo : Tsy mahazaka fifaninanana ?


  • Talata 19 Febroary 2013

Nisy olana indray ny fanatanterahana ny fifidianana ny filohan’ny federasion’ny taranja fototra atletisma sy ny taranja tsipy kanetibe ny faran’ny herinandro teo, na dia tanteraka hatramin’ny farany ihany aza.

 Tsy voalohany ny tranga tahaka izao fa isaky ny misy fanavaozana ny olona hitantana federasiona eto amintsika dia tsy maintsy hitrangana olana foana. Fanatanjahantena no resaka eto fa tsy politika nefa dia mahagaga fa mampizarazara foana io fifidianana io. Any amina fikambana tsy miankina, fiarahamonim-pirenena dia mitranga koa ny olana amin’ny fifidianana na fanendrena ireo tompon’andraikitra, niarahana nahita tsara ny fifandirana teo amin’ny samy firaisamonim-pirenena raha hifandamina ny amin’ny tokony hitondrana ny fanelanelanana izy ireo, dia iny tsy nahavita iny moa fa niditra an-tsehatra ihany ny SADC. Farany teo dia mbola olana be ihany koa ny fisafidianana sy fanendrena ireo 44 mianadahy mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy ary mbola misy ny fimenomenomana hatramin’izao.

Ny any anatina antoko na fikambanana politika moa dia ady varotra tsy mety vita ny fitarihana na fisalorana sy fampiasana ny anaran’ny antoko, anisan’ny antoko zandriny indrindra eto Madagasikara ny TGV noforonin’i Andry Rajoelina kanefa efa tratran’io aretina io sahady. Mitarika fanontaniana maro izany tranga izany tahaka ny hoe : fa dia tena matim-boninahitra mihitsy ve ny Malagasy ? Tsy mba misy fifandeferana sy fifanajana mihitsy ve ? Tsy mahatanty resy ve ny mpitarika eto amintsika ? Inona ny olana raha mba hifandimbiasana ny toerana ? Moa va tena mahazaka fifaninanana sy fifidianana ary demokrasia marina ny Malagasy ? Ary raha tsy mahazaka dia inona izany ny fomba hametrahana ny rafi-pitantanana eto ? Tsara raha mandinika sy misaintsaina ireo fanontaniana ireo ny tsirairay avy amin’izao vanim-potoan’ny fifidianana izao, satria tena be loatra ilay olana aterak’ity fifidianana sy fanendren’olona eto amintsika ity. Ilaina mihitsy ny adihevitra sy ny fanakianana, fa mba tokony zavatra mitombina no hiadian-kevitra fa tsy zavatra misavoamboana. Sa ve ilay maha olon’ny fo ny Malagasy no mahatonga azy tsy mahatanty resy, na mirehareha fatratra rehefa mandresy. Mila fandinihana lalina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT