Hita tamin’ny sabotsy lasa teo teny Andranomena fa tsy mbola mahazaka demokrasia sy ny hevitry ny maro an’isa ny Malagasy.
Telo mirahalahy no nifanintsana ho kandidan’ny antoko TGV, ka asa na efa nampahafantarina mialoha ny vokatry ny latsa-bato miafina nataon’ny kongresista izy ireo na ahoana, fa tsy nanatrika avy hatrany ny fihaonana ny sabotsy aloha ny iray. Ny iray kosa efa nisoritra tamin’ny endriny fa diso fanantenana, mba tsy ilazana hoe tezitra na sosotra. Tato anatin’izao tetezamita izao koa dia nihazakazaka ny fananganana antoko vaovao, rehefa tsy nifankahazo tany anaty antoko tany ny sasany.
Misy indray rehefa tsaratsara toerana sy manana fahefana dia namelona ny antokony efa nitsipozipozy. Roa taona izay, indrindra tao anatin’ny fotoana naha minisitra an’ingahy Monoro Régis, dia niezaka nanao izay tratry ny heriny ity sekretera jeneralin’ny antoko UNDD natsangan’ny Pr Zafy Albert ity, tamin’ny famohazana indray ireo fototra somary natoritory sy nipatitaka. Nanao filankevi-paritra nitety faritra, nanomboka ny oktobra 2012 no ho nankaty, izay nosantarina tany Toliara ary hanao vovonam-pirenena amin’ity herinandro ity. Ho hita eo ny tena adin’io antoko io na handrotsaka kandida ho filoham-pirenena na hanohana kandida. Asa, mety mba hanan-kambo koa fa rain’ny demokrasia !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.