Misy ny nanambara fa hiteraka korontana ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto mialoha ny fifidianana ka noho izany dia tsara ho azy ny mijanona any Afrika Atsimo any.
Fa moa ve hampilamina koa ny fanakianan’ny filohan’ny tetezamita mivantana ny fanapahan-kevitry ny CENIT ny amin’ny hampihemorana ny fifidianana. Efa nanaiky ny tsy ho kandida Atoa Marc Ravalomanana, nandefitra tamin’ny zava-drehetra, kanefa hosoram-potaka isan’andro hatramin’izao fa hoe fototry ny olana eto, hono. Fa rehefa manao izay tian’i Andry Rajoelina ve ny CENIT izay izy vao hiteny fa mahaleotena tokoa ilay rafitra hikarakara ny fifidianana fa rehefa manapa-kevitra taorian’ny fandinihana ny zava-bita sy ny zava-misy dia ambara fa baikon’ny sehatra iraisam-pirenena ? Efa nazava koa anie ny resaka hatrany am-piandohana e ! Ny fanirianay dia mba ho tanteraka amin’io daty io ny fifidianana, hoy Rtoa Fatma Samoura raha navoaka ny tetiandrom-pifidianana fito volana latsaka kely, lasa izay.
Tsy midika mihitsy izany hoe : tsy maintsy misy fifidianana amin’ny 8 mey 2013, isika Malagasy rahateo efa mahalala tsara fa ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona, ka tsy hita mihitsy izay antony mampiaka-pofona an-dRajoelina sy ny ekipany amin’izany. Tahaka ny fampiharana ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra ihany io, miandry ny fepetra feno vao tena azo ampiharina, hoy ny praiminisitra Beriziky Jean Omer izay. Marina loatra ny tenin’ny filohan’ny tetezamita manao hoe : aleo misoroka toy izay mitsabo ; tsy aleo ve atao tena tsara omana ny fifidianana, toy izay maimaika dia hitrangan-doza eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.