Politique

Donak'afo : Tohizana ny lalana


  • Sabotsy 16 Martsa 2013

Azo antoka fa dia haresaka be mihitsy ny etsy amin’ny Magro Behoririka amin’ity anio ity. Hafa noho ny fihaonana rehetra hatrizay mantsy ny amin’ity sabotsy 16 martsa ity satria eto an-tanindrazana Rtoa Lalao Ravalomanana.

 Ela no efa niandrasana ny hahatongavana Raiamandreny tahaka izao ary dia tanteraka ilay izy ankehitriny. Tsy ho tonga eny amin’ny Magro akory Rtoa Lalao Ravalomanana noho ny fifanekena natao fa tsy hisy fanambarana politika ataony eto ary tsy hanatrika fihetsiketsehana politika koa ny tenany. Na izany aza anefa dia mitondra fanantenana lehibe ho an’ireo zanak’i Dada izao fahatongavan’i Mama izao, ary manamafy hatrany ny finoana nandritra ny efa-taona nitolomana fa tsy maintsy ho avy ny andro hifankahitana indray taorian’ny nisarahana tampoka tamin’ny 2009. Maro no mihevitra fa efa tandindonin’ny fahatongavan’Atoa Ravalomanana ny nahafahan-dramatoa vadiny niditra teto Madagasikara iny, ary na ireo tsy mankasitraka ity filoha teo aloha ity aza dia efa mahatsinjo fa tsy maintsy ho avy ihany i Dada, ary mety tsy ho ela intsony io. Izy tenany dia vao nanamafy indray tamin’ity herinandro ity fa ho avy izy, ary tonga eto Madagasikara izy vao hanapa-kevitra ny amin’izay kandida mety hatolony ny ankolafy Ravalomanana.

Hatreto aloha dia handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ity ankolafy ity, ary mihevitra fa mbola azo eritreretina tsara ny hiverenany indray eo amin’ny fitondrana. Ny ankolafy Rajoelina rahateo dia efa hita fa malemy ary mety tsy ho mpandresy amin’ny fifidianana filoham-pirenena, nampiparitaka tanteraka ity ankolafy ity mantsy ny tsy nilatsahan’i Andry Rajoelina. Tsy kandida Atoa Marc Ravalomanana fa afaka manolotra sy manohana olona tsara mihitsy noho izy tsy manana andraikitra ao anatin’ny tetezamita.

 Azo antoka fa hisy lanjany betsaka izany fanohanany kandida iray izany. Olona afaka hanohy sy hanatanteraka ny fandaharanasa efa natomboka ho fanarenana sy ho fampandrosoana an’i Madagasikara no hatolotry ny ankolafy Ravalomanana, olona afaka hanohy ny lalana. Heverina fa raha hajaina ny tetiandrom-pifidianana dia tsy maintsy ho fantatra ato anatin’ny telo herinandro ny anaran’io kandidan’ny ankolafy Ravalomanana io. Betsaka ny resaka sy fampanantenana efa natao teto, fa raha asa aloha dia ny vitan’i Dada no tena mbola nisongadina ary nandritra ny fitondrany no tena nanomboka ny dingana lehibe ho amin’ny fanovana i Madagasikara. Efa nampanantena i Marc Ravalomanana fa tsy maintsy tohizana ny lalana, mila finoana sy asa ny fanarenana ny firenena, hoy hatrany izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT