Politique

Donak'afo : Sinema handavoana an’i Neny


  • Alatsinainy 13 Mey 2013

Marina fa anaty krizy i Madagasikara tato anatin’ny efa-taona izao, krizy noho ny fifandirana politika sy ny fanonganam-panjakana ; fa krizy ihany koa noho ny tsy fahamatorana sy fitiavantenan’ny mpanao politika, ary krizy noho ny hafetsifetsen’ny sehatra iraisam-pirenena, krizy noho ny tsy fahampian’ny fahalalan’ny vahoaka.

 Tsy marina ny filazana fa tsy mahay ny mpanelanelana avy amin’ny SADC sy ny Vondrona Afrikana ary ny Voamieran’ny Ranomasimbe Indiana, diso ny fiheverana fa tsy mahalala ny zava-misy marina eto ireo firenen-dehibe sy ny fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa izay manana ny masoivohony eto ny ankamaroany. Tsy marina ny resaka fa hoe tsy misy fanafana izao krizy mahazo antsika izao, rehefa misy ny olana, tsy maintsy misy ny vahaolana, hoy Atoa Marc Ravalomanana izay. Ka inona ary no mampikatso ny raharaha tahaka izao ? Tsikaritra fa isaky ny misy dingana heverina fa tsara vita amin’ny famahana ny krizy, dia tonga eto ny iraky ny SADC, dia misy ny fivoriana tsy ara-potoana momba an’i Madagasikara, dia io fa manondrana ny mpitondra eto, dia iny fa mivoaka indray ny fehin-kevitra hafahafa avy any amin’ny vondrona SADC ; dia miverina zero indray ny tabilao. Mialohan’io dia efa namoaka fanambarana koa ny Frantsay, tsy tokony ho kandida amin’ny fifidianana hono i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Nanara-kefa fotsiny ny SADC.

Tsy sanatria bado daholo akory ny Malagasy ka tsy mahatakatra ny kajy politika ao anatin’izany. Efa mazava fa tsy ho lany izany ny amiraly Ratsiraka, tsy tafavoaka koa i Andry Rajoelina izay efa ratsy endrika tanteraka manoloana ny Malagasy ; fa manana herijika ho voafidy kosa Rtoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy, koa dia natao ny sinema, samy mba mody nilatsaka i dadabe sy i zandry kely, avy eo mody kihanina dia asaina misitaka miaraka amin’i Neny. Mety hita mantsy fa tsy hahovoka firy manoloana an’i Neny ireo kandida maro be nokaramaina mba hanaparitaka ny vato, dia aleo karohina mihitsy ny hevitra tsy hahahafahany miatrika ny fifidianana. Ny andininy faha-20-n’ny tondrozotra tsy tanteraka, dia io fa tadiavina ho verezin-jo tsotra izao indray ny olon-kafa izay madio tanteraka eo imason’ny fitsarana sy ny fiarahamonina ary ny sehatra politika. Samy mahafantatra ny rehetra hoe : iza no nitarika korontana teto tamin’ny 2009, tsy miafina amin’ny rehetra koa fa tsy mba olon’ny gidragidra izany ny Zanak’i Dada. Ka mazava anie izany hoe : iza no mikasa hikorontana aorian’ny fifidianana e ! Ka ny mpanakorontana no tokony handraisana fepetra, fa tsy ny olona milamina e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT