Politique

Donak'afo : Savorovoro tsy mety vita


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Tsy misy zavatra milamina eto amintsika. Miha sarotra hatrany ny hahatanteraka ilay fifidianana amin’ny 24 jolay. Manomboka indray ny fivoriana etsy sy eroa hikononkononana zavatra hafahafa.

Mandeha be ny feo fa hoe harodana, hono, ny filohan’ny CST izay voalaza fa toa hoe tsy kandida intsony. Koa raha tsy kandida intsony izy, dia tsy voatery hiala amin’ny maha filohan’ny CST azy, ka inona indray no mahatonga ny ketrika hanonganana azy ? Kajy politika angamba ! Tsy mazava ny fanapahan-kevitry ny CES, tsy nisy ny fepetra noraisiny manoloana ireo kandida manampahefana tsy nametra-pialana fa resaka tranga tsy azo anoharana indray no navoakany. Sa ve efa kajy politika mba hanomezana rariny ireo tsy mety mametra-pialana no antony hampihemorana ilay fifidianana e ? Tena miditra lalina amin’ny raharaha politika ireo manamboninahitra ambony sasany ao amin’ny foloalindahy, ka mahatonga ny olona hiteny fa hay ve lasa manao politika indray ny miaramila e ? Misy siosion-dresaka milaza fa mety hisy indray ny fanonganam-panjakana koa dia efa miomana hiatrika izany ny any an-dakazerina any. Misy anarana mpanao politika voatonontonona ao anatin’izany. Mahatezitra ny maro ny fihetsiky ny sehatra iraisam-pirenena izay toa mandidy ny Malagasy ny amin’ny ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.


Maro no tsy faly sy te hitroatra kanefa ampy hery hanoherana marina ny sehatra iraisam-pirenena ve isika amin’izao krizy manjo antsika izao ? Resahana foana ny hoe : fiandrianam-pirenena, kanefa toa am-bava ihany ilay izy fa tsy misy ny fampiharana azy marina, tahaka ny natao tamin’ny tondrozotra ihany. Be loatra ny adihevitra tsy mitombina eto, ka mandany fotoana fotsiny, toa any amin’ny zavatra tsy izy no handaniana ron-doha, mitady hifanipaka toa valala an-karona ny mpitondra sy ny mpanao politika, ka izay no mahatonga ny vahoaka mikorotan-tsaina. Miha mazava ihany izao fa tsy ho tanteraka ny fifidianana amin’ny 24 jolay, ary na misy daty hafa hivoaka indray aza, dia tsy mbola azo antoka fa tena ho vita amin’io ny fifidianana. Ramatoa Atallah Béatrice, filohan’ny CENI-T dia mbola any ivelany hatramin’izao. Miandry izay vaovao tsara na ratsy hoentiny ny rehetra, satria izy miaraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena no tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Maro no mihevitra fa tokony hafonja ny fandresen-dahatra ataon’ny CENI-T amin’ny mpitondra tetezamita, ny mpanao politika ary ny sehatra iraisam-pirenena, mba tena hisian’ny marimaritra iraisana haneken’ny rehetra ny fanatanterahana ny fifidianana. Fa mandra-piandry izany aloha dia misavorovoro kely indray ny iray tanàna e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT