Politique

Donak'afo : Sarotra ny mandamina


  • Talata 21 Mey 2013

Hanomboka afaka iray volana ny fampielezan-kevitra. Tsy mbola fantatra anefa izay tena ho fizotry ny raharaha eto amin’ny firenena.

 Manao tsindry bokotra ny sehatra iraisam-pirenena saingy tsy manaiky mora foana izany ireo kandida telo niangaviana mba hiala an-daharana. Ala nenina farany no ataon-dRamatoa Atallah Béatrice, filohan’ny CENI-T amin’ity diany mandritra ny 12 andro any ivelany ity. Raha ny faniriany dia hotanterahana amin’ny 24 jolay 2013 amin’izay ny fifidianana fa efa tena ela loatra ilay sangodim-panina, no sady efa afa-baraka ny CENI-T tsy nahatanteraka izany tamin’ny 8 mey 2013. Manomboka mizara ny hevitry ny olona momba ity fifidianana ity. Hita ho miha mitombo isa ankehitriny ireo mihevitra fa tsy vahaolana hamaha ny krizy ny fanaovana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany amin’ny 24 jolay. Mbola maro be ny zavatra tokony halamina mialoha izany, hoy izy ireo ka aleo tsy maika fa rehefa manao zavatra dia tena atao tsara. Misy koa ny efa leon’ny krizy sy ny sangodim-panina politika ka resy lahatra fa aleo ny vahoaka no hanapa-kevitra ka hifidy izay mpitarika heverina fa tena hahavita hampihavana, handamina ary hanarina ny firenena.

Mbola misy adihevitra hafa koa aza manao hoe : tsy fifidianana filoha fa solombavambahoaka no tokony hatao mialoha. Misy koa ny mandroso hevitra ny hanombohana mihitsy ny fifidianana any ifotony, izany hoe fifidianana sefo Fokontany no tanterahana voalohany. Ka inona moa izany fa tsy tena mbola ambony ambany anie izany ny raharaham-pirenena e ! Tsy mitovy hevitra ny samy vahoaka, tsy mitovy hevitra ny mpanao politika, miady an-trano ny samy manampahefana, manao ny ataony ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mety vonona amin’ny ampahany betsaka ny lafiny ara-teknika, saingy ara-politika dia tsy feno mihitsy ny fepetra hiatrehana fifidianana milamina, madio sy mangarahara izany, raha izao no fitrangany. Tsy hoe ny olona no mikorontana ho azy eo, fa ny hevitra aparitaky ny mpanao politika na ny vondron’olona sasany no mampiahiahy ny vahoaka ka mahatonga ny fifandiran-kevitra. Manomboka tena mahatsapa tsara ny rehetra izao fa latsaka anaty vela-pandrika i Madagasikara, tafiditra anaty krizy saro-bahana ary lalaovin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mora tokoa ny manakorontana sy mandrodana fa sarotra ny mandamina e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT