Politique

Donak'afo : Sakanana amin’ny fomba rehetra


  • Alatsinainy 25 Febroary 2013

Izay zava-baovao hitranga amin’ity herinandro ity no tsy fantatra, fa raha ny zava-misy hatreto aloha dia tsy mbola tafiditra eto Madagasikara Rtoa Lalao Ravalomanana.

 Heverin’ireo mpanao politika sasany manodidina ny filohan’ny tetezamita mantsy fa mety misy ambadika politika, hono, ny fiverenany eto ka asa mety noho izany angamba no mahatonga azy ireo manolotsaina an’i Andry Rajoelina tsy hanaiky mihitsy izany fiverenany izany, na inona na inona mety ho antony. Misy amin’ireo mpanao politika, tsy matoky tena no matahotra mafy sao ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena Rtoa Lalao Ravalomanana. Mety ho hafahafa mantsy ny fandehan’ny raharaha raha izany no mitranga fa dia mety ho simba daholo ny kajikajin’ny sasany. Mampiasa saina mafy ny ankolafy Rajoelina ihany koa, araka ny fantatra, ny fandehanana minisitra iray tany Afrika Atsimo tamin’ny herinandro lasa teo.

Tsy misy mahalala ny tena anton-dian’io minisitra io fa ny re fotsiny dia nampiasa ny “passeport diplomatique” izy. Tsy mahagaga raha misy resabe manodidina azy ity. Iaraha-mahalala fa mipetraka any Afrika Atsimo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary raha ny zava-nisy hatramin’izay dia tsy tena misy antony mazava tokony handehanana manampahefana iray any Afrika Atsimo. Koa nahoana ity minisitra ity no nandeha tany tampoka ? Tsy mbola niova ny tanjona ho an’ny ankolafy Rajoelina dia ny fanapotehana an’Atoa Marc Ravalomanana sy izay rehetra mifampikasokasoka aminy. Raha azon’izy ireo natao angamba, dia efa namoronana dosie hahafahana mitondra azy eny amin’ny fitsarana Rtoa Lalao Ravalomanana, raha tsy efa misy miketrika izany mangina any ambadimbadika any. Mpiara-mitolona fahiny aza moa hamoronana dosie, mainka fa ny fahavalo politika. Io fihetsika sy fanapahan-kevitra hafahafa ataon-dRajoelina sy ny ekipany io no maha sarotra ny fametrahana ny fitoniana eto, ka mety hampihemotra hatrany hatrany ny datim-pififidianana dia mahazo aina tsara ny sasany amin’izay satria mitatra ny tetezamita e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT