Manizingizina hatrany ireo zanak’i Dada fa tsy maintsy tafody an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay vao miresaka fifidianana izany.
Mandrahona ny tsy hanolotra kandida izy ireo raha tsy tanteraka izany ary efa nampatsiahy fa tsy ho demokratika sy tsy manara-penitra ny fifidianana rehetra atao raha toa ka tsy mandray anjara ao anatin’izany ny vondrona na ankolafy politika, sokajiana ho anisan’ny goavana indrindra eto Madagasikara. Rehefa dinihana tokoa ny zava-misy dia ho hafahafa ihany raha toa ka tsy handray anjara ny ankolafy Ravalomanana, izay tsy hoe ny Tiako I Madagasikara ihany no mandrafitra azy fa misy antoko sy fikambanana maro be, satria misy Malagasy an-tapitrisany izany mety tsy afa-po amin’izay kandida sisa mijoro eo ka mety tsy handeha hifidy. Ankoatra izay dia tsy tokony hohadinoina fa fifanolanana teo amin’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana no fototra niavian’ny krizy, efa tena manahiran-tsaina ny olom-pirenena maro ny tsy nahafahan’izy mirahalahy ireo nilatsaka hofidiana filoha, ka raha tsy mbola hanana kandida amin’ny fifidianana idray ny ankolafy iray, amin’ireo dia asa fotsiny.
Tsara, aorian’ny krizy tahaka izao misy izao raha manana ny safidy rehetra ny mpifidy ary mavitrika mandrotsa-bato, amin’izay mantsy tena mandray anjara feno amin’ny fanapahan-kevitra tokoa ny olom-pirenena mba hahatanteraka ilay hoe : ny vahoaka no andriamanjaka. Raha sanatria ka latsaka ambany ny tahan’ny fandraisan’anjara, dia harefo ny fanjakana hijoro manaraka eo, ary ny atahorana aza, ao anatin’ny 1 na 2 taona dia mety efa ho avy indray ny fandrodanana ilay filoham-pirenena. Tena tsy azo ihodivirana na hodiana fanina, noho izany ny famelana malalaka an’i Marc Ravalomanana hody eto, efa nifanarahana sy nosoniavina rahateo ny tondrozotra, ka ny fifandaminana ilay fahatongavany angamba sisa no hifampiresahana fa tsy ny hoe ekena sa tsia ny fodiany. Fifanarahana avy amin’ny alalan’ny tondrozotra no naneken’ny rehetra fa filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina, tsy misy miady hevitra amin’izany intsony, ka tahaka izay ihany koa ilay andininy faha-20.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.