Tafatsangana avokoa ireo andrim-panjakana sy rafitra voalazan’ny tondrozotra, herintaona sy tapany latsaka kely aty aorian’ny nanasoniavana azy.
Nahavita ny fianianany teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy omaly alakamisy 07 martsa ireo 44 mianadahy mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM). Izy ireo no hisahana ny asa goavana dia ny fampihavanam-pirenena sy ny fandinihana ny antontan-taratasin’ireo olona voaheloka ka mangataka famotsoran-keloka. Tsy midika anefa hoe milamina ny tany rehefa tafatsangana ny rafitra rehetra. Mbola maro ny andinin’ny tondrozotra mitarazoka ny fampiharana azy, ary ny sasany aza dia toa miketrika ny tsy hampihatra mihitsy ireo andininy sasantsasany ireo. Raha ny tokony ho izy dia natsangana niaraka tamin’ny CENI-T ity FFM ity, dia mba efa nisy ny asa mivaingana vita, fa izao mikofokofoka mafy mandamina ny lafiny ara-teknika hahatomombana ny fifidianana ny CENI-T miaraka amin’ny Firenena Mikambana. Raha ny fandinihana azy dia tsy tokony hisy olana io lafiny teknika io ary azo atao tsara ny miatrika fifidianana amin’ny 24 jolay ; ny tondrozotra anefa dia milaza mazava fa tsy maintsy atao aloha ny fampihavanam-pirenena, ampiharina ny famotsoran-keloka, mipetraka ny fitoniana izay vao miroso amin’ny fifidianana.
Efa ho dimy volana ny adihevitra saika tsy nety vita tamin’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny FFM, ka hanao ahoana ny ho fomba fiasan’izy ireo fa dia manana dimy volana latsaka kely hiasana izany ry zareo, mialoha ny fifidianana. Hilamina sy hirindra ve ny asan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy sa mbola hifanditra indray ireo mpikambana ? Andrasan’ny olona fatratra izay paikady hampiasain’ny FFM manerana ny Faritra rehetra eto Madagasikara mba hanaovany ny fampihavanana. Saropady ny famotsoran-keloka ka mila fitandremana be ny fampiharana azy. Mety misy ireo tsy resy lahatra amin’izy 44 mianadahy ao anatin’ny FFM, saingy efa ireo aloha no eo dia izay no izy, raha miasa tsara sy tsy manaiky ny faneriterena etsy sy eroa izy ireo, ary tsy manao kolikoly dia tokony handeha tsara ny fampihavanana. Adidy sy andraikitr’izy ireo no mampiseho fa tena mahavita azy tokoa ry zareo fa tsy araka ny resaka an-jorony etsy sy eroa, ny bainga mivadika no vavolombelon’ny mpiasa, fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy no ilaina misy eto, mialoha ny fifidianana, raha mendrika ny andraikiny izy 44 mianadahy dia arahaba soa arahaba tsara fa hilamina izany isika, raha sanatria ka manondrana ry zareo dia ho rendrika ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.