Politique

Donak'afo : Mitohy ny tolona


  • Talata 14 Mey 2013

Isan-karazany ny fidinana an-dalambe, fihetsiketsehana, filaharana ary tolom-bahoaka nitranga teo amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely.

 Notsiahivina omaly ny faha-41 taonan’io daty malaza eo amin’ny tantaram-pirenena io ; fahatsiarovana mifanandrify indrindra amin’ny mbola fikorontanan’ny tontolo politika eto amintsika amin’izao fotoana. Hetsiky ny mpianatra no tena nahafantarana ny 13 mey 1972, izay nitakian’ireo mpianatra ho dokotera tao amin’ny Ecole de Médecine Befelatanana ny hanafoanana ny fanavakavahana, fotoana nitakiana ihany koa ny hirosoana amin’ny fanagasiana ny fampianarana sy ny fametrahana teratany Malagasy amin’ny andraikitra ambony rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Nivadika ho fitakiana politika anefa ity resaka 13 mey ity taty aoriana, noho ny nahatsapan’ny rehetra fa io hetsiky ny mpianatra io no nitarika ny firodanan’ny Repoblika voalohany notarihan’i Philibert Tsiranana. Teo no nifampitaona ny Malagasy tamin’ny 1991, 2002 ary 2009. Ny olana anefa dia toa vao maika mahantra hatrany isika, mangetaheta ambony lakana, ary mbola mitady hanao izay tiany eto foana ny mpanjanantany.

Manetsika ny olony mba hiaro ny tombotsoany ny Frantsay ; mivandravandra be izany fa tsy mila hiadian-kevitra intsony. Misy ny firenen-kafa miara-miasa amin’i Madagasikara. Mitady tombotsoa izy ireo matoa tonga eto, fa tsy tendan-kanina tahaka ny sasany izay mihevitra azy fa mbola mpanjanatany sy tompon’ny teny farany eto ihany. Samy manana ny hevin’ny amin’ny fomba hanarenana an’i Madagasikara ny tsirairay avy, ao no mahita fa mila mihavana sy mifandamina tsara mihitsy aloha isika izay vao miroso amin’ny fifidianana. Ao ny resy lahatra fa atao aloha ny fifidianana dia anjaran’ny mpitondra lanim-bahoaka eo no miasa sy mahay miara-miasa amin’ny rehetra mba hanarina ny firenena. Nivoaka ny resaka omaly fa tokony ho karohana ny hevitra mba tsy hisian’ny fandrodanana fanjakana eny an-dalambe intsony, ary ny mpitondra koa dia tokony mitana ny teny nomeny, manatanteraka izay nampanantenainy ny vahoaka mpifidy ary tsy miandry tenenina vao manitsy ny famindra tsy mety, fa mba mila mahatsapa tena avy hatrany.

Manampy izay dia mila miova foto-pisianana ihany koa ny mpanao politika tsy eo amin’ny fitondrana fa tsy hanohitra be fahatany izay mitondra, any amin’ny fifidianana no tokony hanezaka mafy, ka ireo olom-boafidy no hampita sy hiaro ny hevitra. Tompon’andraikitra ihany koa ny vahoaka fa tsy sodokan’ny fizarana fanomezana sy vola kely, ka iny fa hidina an-dalambe na hiditra amina faritra mena, hanampy ny mpanao politika amin’ny tanjony. Ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ihany koa na mpitondra izy na olon-tsotra, na sivily na miaramila na miasa na tsy an’asa dia mila saropiaro amin’ity Madagasikara ity, mahay miray hina ka afaka manohitra miaraka ny hafetsifetsen’ny vazaha; afaka miara-miasa amin’ny any ivelany isika fa kosa tsy tokony ho andevozin’ny vahiny izany intsony, ary tsy tokony hampiesonin’ny Afrikanina. Mba tokony hahamenatra ihany anie ny hoe : ireo Afrikana mikorotan-dava sy miady an-trano indray no manelanelana sy mandamina antsika izao, ary karamain’ny sehatra iraisam-pirenena vola be e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT