Politique

Donak'afo : Mitanila e !


  • Alakamisy 02 Mey 2013

Tsy takona afenina intsony izao fa efa misy kandida telo aman’efatra mihazakazaka mafy manao fampahafantarana ny tenany, eny fa na dia tsy mbola ofisialy aza fa nekena ny filatsahan-kofidiany.

 Ao ny mitety faritra, eo ny mitsidika toerana sy Fokontany maro samihafa, ao ny mitokana zava-bita, ao ny mitarika fivoriana etsy sy eroa, misy koa ny manatanteraka fifaninanana ara-panatanjahantena. Efa azo tarafina sahady dieny izao ety am-piandohana izao ireo kandida matanjaka ara-bola ka hanao izay azony atao rehetra mandritra ny propagandy. Samy manana ny fomba fiadiny rehefa samy eny an-tanim-boanjo, ka tsy hidirana lalina ny amin’iny. Fa ny mahalasa ny fisainana dia ity haino aman-jerim-panjakana toa mampisongadina olona sahady ity. Tsy mety vita hatramin’izao ny adihevitra momba ny nanindraindran’ny TVM an’i Camille Vital sy Hajo Andrianainarivelo, ka nandefasana tao anatin’ny filazam-baovao tamin’ny antsipirihany ny fitsidiham-paritra sy ny zavatra nataon’izy ireo. Moa va tena resy lahatra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny TVM fa mety ireny fomba fikirakirana vaovao ireny ? I Camille Vital sy Hajo Andrianainarivelo dia fantatra tsara fa tompon’andraiki-panjakana ambony.

Ny iray masoivohon’i Madagasikara any Genève (Soisa), ny iray praiminisitra lefitra. Noraisin’ny olona ho fampiasana ny fahefana eo am-pelatanan’izy ireo mba hanaovana propagandy mialoha ny fotoana sahady ireny hita tao amin’ny TVM ireny. Mahazo tombony izany ny manampahefana, fa mba ahoana kosa ny amin’ireo kandida hafa ? Mafy hatoka hatreto aloha ny ao amin’ny ministeran’ny serasera ka tsy mety manokatra ireo haino aman-jery nakatona nandritra ny krizy, ary mbola hita ho tena malaina hamela hiasa malalaka ireo haino aman-jery voatery nikatona noho ny fandrobana sy ny fanimbana. Tokony ho efa mba hita ety am-boalohany anefa ny fifandanjan-kery eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany fa tsy misy tokony hahazo tombon-dahiny mihoapampana izany. Tsy misy ny lalàna mazava mandrara ny fihetsiketsehan’ireo kandida mialoha ny fampielezan-kevitra, fa mba tsy mety kosa raha mirona amina kandida izatsy na izaroa ny haino aman-jerim-panjakana, kanefa ilay fanjakana tsy manaiky ny hanokafana ireo haino aman-jery tsy miankina. Na samy mba alefa, na samy sy misy alefa aloha. Raha tahaka ireny foana aloha ny fomba fiasa dia mety ho raharaha ihany no hiafarany e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT