Politique

DOnak'afo : Mila raiamandreny


  • Alakamisy 14 Martsa 2013

Miroso, miroso hatrany ny fandavorariana ny lafiny teknika amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Hita fa efa miasa ihany koa ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy, ka ny fifidianana izay ho filoha hitarika azy izao no tena ifantohan’ny sain’ny mpanara-baovao indray.

 Tsara homarihana fa tsy voatery ho mpikambana ao amin’ny FFM no fidiana filoha, fa mety olona avy aty ivelany hita fa mahafeno ny fepetra hitarika izany rafitra hiandriakitra ny fampihavanana izany. Azo antoka fa efa mandeha indray ny kajikajy isan-karazany any ambadibadika any. Manomboka mivoaka ny feo fa toa hoe misy ireo te handresy lahatra ny Profesora Zafy Albert mba ho filohan’ity Filankevitry ny fampihavanana malagasy ity, noho izy efa nitarika ny CRN ary nitaky ny fampihavanam-pirenena nanomboka tamin’ny 2002.

Mety misy mpikambana ao anatin’ny FFM koa anefa manam-paniriana, na misy manosika ho filoha ka asa hoe : hanakory ny zavatra hitranga. Ny fanirian’ny olona fotsiny dia tsy ho sangodim-panina be tahaka ny fifidianana sy fanendrena ireo mpikambana 44 mianadahy tao amin’ny FFM fotsiny ny fisafidianana ilay filoha. Ny datim-pifidianana rahateo efa voatondro mazava, izao dia efa nivoaka koa ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy, midika izany fa efa miroso ny dia ka tsy sanatria ny asa ataon’ny FFM indray no hanimba ny ezaka rehetra efa natao. Na izany aza anefa dia mila fitandremana sy fahamatorana tanteraka ny fisafidianana sy fanendrena io ho filohan’ny FFM io, mba olona tena raiamandreny hahay hitari-dalana ny rehetra tokoa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT