Politique

Donak'afo : Mila fanabeazana


  • Alarobia 27 Febroary 2013

Noho ny famelana ny gaboraraka hanjaka fa tsy nandraisana fepetra hentitra hatrany am-piandohana, dia lasa olana saro-bahana ny fivarotana amoron-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

 Mifangaro voraka ny raharaha, mifampiditra ao ny resaka ara-dalàna sy ara-drariny, hany ka tsy hay intsony hoe : amin’ny fotoana toa inona izany no ampiharana ny lalàna ary ahoana ny fomba hampiharana azy ? Tsy manaiky tsotra izao ny fandaminan’ny Kaominina ny mpivarotra amoron-dalana eny Behoririka sy Antanimena manoloana ny kianja Malacam. Amin’izy ireo mantsy dia antom-pivelomana mihatra aman’aina ny varotra ary efa mandoa haban-tsena isan’andro izy ireo no sady mbola mandoa hetra eo anivon’ny Fokontany ihany koa. Lasa resaka tsy mety vita noho izany ity fandaminana sy fanadiovana ny renivohitra ity. Efa mazava hatrany am-boalohany anefa ny lalàna fa tsy azo ivarotana eny amoron-dalana, natao ho an’ny fiara ny arabe, ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin’arabe ary ho an’ny mpivarotra ny tsena.

Rehefa nilefitra tamin’ny fampiharana io lalàna io ny mpitantana sy ny mpitondra dia nihevitra ny mpivarotra fa efa azo atao tsara ny mivarotra eny amoron-dalana, ny fiainana rahateo niha sarotra koa dia tsy maintsy mitsikaraka e ! Zonay ny mivarotra satria mila mitady vola ivelomana izahay, hoy ireo mpivarotra amoron-dalana. Dia miteny indray ny manampahefana fa mandika lalàna ianareo ka tsy maintsy esorina, ary ny zonao dia tsy tokony hanana fiantraikany ratsy amin’ny zon’ny hafa, na hanembantsembana ny hafa tahaka ny  mpandeha an-tongotra sy ny olona mitondra fiara, ohatra.

Nisy ny tsena naorina, nisy ny tany malalaka noforonina, fa tsy mbola nampilamina izany satria eny amoron-dalana ihany, hono, no be mpandalo sy mpividy ka mampandeha ny tsena, hoy ireo mpivarotra. Azo hamintinana ny olana misy eto Madagasikara amin’ny ankapobeny ka mahasarotra ny famahana ny krizy, ny olan’ny mpivarotra amoron-dalana eto an-drenivohitra. Mailaka ery isika mamorona lalàna. Tsy hampiharina akory anefa avy eo ary vahaolana maimaika tsy mahatody lavitra foana no arafitra. Ny tena goavana dia mitady ho lasa kolontsaina eto fa rehefa sahirana dia afaka manao izay tiana sy afaka mandika ny lalàna ary tsy miraharaha ny hafa. Tena mila fanabeazana goavana, vao afaka miresaka am-pilaminana sy mikaroka ny marimaritra iraisana isika e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT