Hanamarika ny andro anio ny fivoriana momba ny fampihavanana karakarain’ny FFKM eny ain’ny CCI Ivato sy ny fahatongavan’ny amiraly Didier Ratsiraka, mbola eny Ivato ihany koa.
Herintaona taty aorian’ny fanangonan-kevitra nataony tamin’ny alalan’ny SEFIP na Sehatra ifanakalozan’ny olom-pirenena dia tapa-kevitra ny hiroso amin’ny dingana manaraka ny FFKM, dia ny fihaonana mivantana amin’ireo vondrona politika sy firaisamonim-pirenena ary ireo rehetra voakasiky ny famahana ny krizy. Miteraka sahoan-dresaka be tato anatin’ny andro maromaro ity diniky ny FFKM ity satria nandeha be ny feo fa hoe mety hampihemotra ny fifidianana, hono, ny fanatanterahana azy. Ho lavalava ihany mantsy ny asa, satria manana ny fomba fiasany tsy tahaka ny mahazatra ny mpanao politika ny fiombonamben’ny fiangonana, tsy katrodohan’olombelona koa ny resaka eto fa tsy maintsy ny sitrapon’Andriamanitra no tanterahina, ka eo no mampifanipaka ny fomba fijery matetika satria samy manana ny fandraisany izany ny tsirairay avy.
Misy moa ny manakiana avy hatrany fa hoe : tsy tokony hiditra amin’ny raharaha politika mihitsy ny fiangonana, afaka manome sosokevitra izy fa tsy tokony hifampikasoka be loatra amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika. Ny tondrozotra anefa dia efa nampiditra ny FFKM ao anatin’ny fanelanelanana sy famahana ny krizy, dia io nihetsika io ry zareo. Nohararaotin’ny amiraly Ratsiraka izany rehetra izany ka nasisiny avy hatrany fa izy, hono, no tompon-kevitra tamin’ny fihaonana an-tampon’ny samy Malagasy, atao eto Madagasikara. Raha araka ny fantatra anefa dia dinika savaranonando ihany aloha ity karakarain’ny FFKM ity, fa tsy hoe io no tena fihaonana an-tampony ka hamoahana fanambarana goavana.
Maro no mahita fa fetsy i Deba ka nijapy avy hatrany ny hetsiky ny FFKM mba hampisongadinana indray ny tenany, izy izay efa somary adino tato anatin’ny efatra volana izay ary nipirina tany Lafrantsa tany. Hararaotin’ny amiraly Ratsiraka sy ny ankolafiny ity zavatra hitranga anio ity mba hiverenan’izy ireo indray eo amin’ny sehatra politika, ka tsy tokony hahagaga raha ho fantatra ato ho ato ny anaran’ny kandida mety hatolotry ny ankolafy Ratsiraka. Heverina koa anefa fa olon-kendry sady mahafantatra tsara ny tontolo politika eto sy ny toetry ny mpanao politika ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ka tsy ho tafalatsaka anatin’izany sangodim-panina izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.