Politique

Donak'afo : Mandringa


  • Alarobia 20 Martsa 2013

Manomboka mipoitra etsy sy eroa indray izao ny fitokonana sy fitakiana ary fimenomenomana isan-karazany.

 Hita fa toa mafana ra sy romodromotra izany ny olona, ka vao fifamaliana na fifandirana kely monja dia raikitra ny gidragidra. Mirongatra ny fanafihan-jiolahy, tonga hatrany am-piangonana, mamono olona ny mpiambina ny pastera Mailhol, nodoran’ny olona ny fiarany avy eo. Nahery fihetsika ny mpamily sy resevera sasany nitokona tamin’ny zotra mampitohy an’Antananarivo sy Ivato ka nisy ny voasambotra. Toa mizotra tsimoramora any amin’ny fiparitahan’ny fitsaram-bahoaka izany isika na any ambanivohitra io na eto an-drenivohitra. Ny milaza azy fa mpanasitrana sy mpaminany amin’izany maniry ohatry ny anana, ka maro ny Malagasy leo ny fangirifiriana sy ny fahasahiranana no roboka manaraka ireo fampianaran-diso hampiasana ny anaran’i Jesoa Kristy, sanatria tahaka ny entam-barotra.

Heverina fa tokony hisy ny tena vahaolana hanamora ny firosoana amin’ny fifidianana, hipoitra amin’ity volana ity, ka raha migadona ny volana aprily hanombohan’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida, dia efa mba ao anatin’ny filaminana sy fitoniana izany fa tsy mbola hanjakan’ny fifanandrinana ara-politika foana. Ka inona moa no andrasana fa dia ny fampiharana manontolo ny tondrozotra e ! Dia samy mahalala ny andraikiny naterak’izay ny tsirairay avy, fa raha io resaka io no tsy mbola milamina dia handringa ny fanatanterahana ny fifidianana eto, ary rehefa ela ny ela dia ho avy ihany ny savoritaka. Inona moa no asa fampihavanana ho vitan’ny FFM raha toa ka ny tondrozotra aza tsy mbola tanteraka ny fampiharana azy ? Mihevitra ve ny FFM fa hahavita ao anatin’ny efa-bolana ny zavatra tsy vita tao anatin’ny herintaona sy tapany izy ireo, ka hahatafapetraka ny fitoniana eto mialoha ny 23 jona hanombohan’ny propagandy ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT