Mihazakazaka ny toe-draharaha. Lasa any Etazonia ny filohan’ny CENI-T, eto an-toerana maro dia maro ny fivoriana tetsy sy teroa, ary anio dia hiseho sehatra indray ny Komity mpanara-maso ny tondrozotra (CSC) sy ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM) fa hoe tsy maintsy hamoaka fanapahan-kevitra hentitra, hono.
Mahakasika manokana ireo kandida telo dia Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka ny votoatin-dresaka eto, ary ho avy mihitsy ny avy ao amin’ny foloalindahy hanao izay hanajana ny fanapahan-kevitra mivoaka eo. Nandrasana omaly tolakandro ny iraky ny SADC saingy tsy tonga, dia io fa ny CSC sy ny FFM miampy ny foloalindahy io no hanery ireo kandida 3 ireo mba hitsoaka an-daharana. Dia asa aloha izay ho fizotry ny fifampiresahana, raha hisy, fa raha ny fantatra hatreto dia tsy misy mieritreritra ny hisintona ny dosieny amin’ny maha kandida azy mihitsy izy 3 mianaka ireto fa efa miomana amin’ny fampielezan-kevitra aza. Somary nanaitra kely ihany koa izao fivoriana tampoka izao satria mifanandrify indrindra amin’ny dian’ny filohan’ny CENI-T any ivelany, somary mahagaga ihany koa ilay fisisihan’ny foloalindahy ao anatin’ity resaka tena politika avo lenta ity.
F’angaha moa lasa manao politika indray ny foloalindahy e ? Sa ve misy ampahana manamboninahitra ambony eo amintsika, tena manao politika mihitsy ? Mazava ny kisarisarin’ny drafitra eto fa hanao famelabelaran-kevitra momba ny mahatsara ny fandeferana sy ny fanajana tena ny FFM, hiresaka ny maha zava-dehibe ny fanajana ny tondrozotra, indrindra fa ilay fepetra mampisy ny filaminana sy ny fitoniana ny CSC, hanantitrantitra ihany koa fa tokony harahana ny tenin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ; ary hilaza indray ny foloalindahy fa manam-baovao manamarina fa tena hisy ny korontana mety tsy ho hay fehezina raha toa ka mandray anjara amin’ny fifidianana ireo kandida telo voatonona anarana etsy ambony ireo. Mipetraka ary ny fanontaniana : raha toa ka tena tsy mety mitsoaka an-daharana marina ireo kandida telo ireo, ary tena hanohana matanjaka azy ireo ny mpomba azy tsirairay avy, dia inona no hitranga ? Sa ve hoterena hamoaka didy hafa indray ny CES, sanatria hoe manafoana ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka e ? Efa tena betsaka ihany mantsy izay zavatra hafahafa nitranga teto izay ka izany no antony haminavinana izany kisarisary sampona izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.