Politique

Donak'afo Manana iray volana


  • Alatsinainy 11 Martsa 2013

Andrasana indray izay mety hambaran’ny Troika izay mivory atsy Pretoria Afrika Atsimo momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Ny sabotsy lasa teo dia nanome toromarika ireo mpomba azy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mba ho tony sy haharitra hatramin’ny farany.

Tsy maintsy ampiharina izay rehetra voasoratra ao amin’ny tondrozotra, hoy izy ary tsy manolotra kandida isika raha tsy tafaverina an-tanindrazana i Dada. Mazava tsy misy hanalana na hanampiana ny fanambarana. Mitazona hatrany ny teny nomeny ity ankolafy ity ary tsy miovaova araka ny zava-misy tsy akory. Napetraka tao anatin’ny tondrozotrany andininy faha-20 mikasika ny fodian’ireo sesitany politika, efa tena maro be ny resaka momba io, fampiharana no andrasana ary miankina amin’izay ny ho tohin’ny raharaha. Ka asa izay mety ho vokatry ny fivorian’ny Troika, moa va hisy zava-baovao sa fanambarana tsy misy fampiharana tahaka ny efa nisy hatramin’izay fotsiny ? Tsy latsaky ny telo mantsy izao ny taratasy ofisialy navoaky ny SADC milaza fa afaka mody tsy misy fepetra Atoa Marc Ravalomanana, saingy tsy mbola tafiditra eto Madagasikara ihany izy hatramin’izao. Samy manana ny fandinihany izany moa ny tsirairay avy, ary misy mihitsy no miteny fa toa manao sangodim-panina fotsiny ireo mpanelanelana fa raha ny tena marina dia tsy avela mody eto Atoa Marc Ravalomanana mandra-pisian’ny filoham-pirenena vaovao.

Raha toa ka mitombina tokoa izany fihevitra izany, dia hanao ahoana no ho tohin’ny tolon’ny ankolafy Ravalomanana : tsy handray anjara amin’ny fifidianana ve, tahaka ny nataon’ny Arema sy ny ekipan’ny profesora Zafy tamin’ny 2002 – 2003 ; sa hanolotra kandida ihany ? Mihevitra ireo zanak’i Dada fa efa tena nandefitra be tamin’ny fanekena ilay “ni…ni” izy ireo, hany ka tsy hanaiky mora foana izany fanakanana ny fodian’i Marc Ravalomanana izany fa efa tena ampy izay. Ny hevitry ny ankolafy Rajoelina dia efa mazava hatramin’ny 2009, fa tsy mila an’izany Marc Ravalomanana eto Madagasikara izany ry zareo, sahala amin’izay koa ny hevitry ny Frantsay. Mbola manjavozavo kosa anefa ny tena hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mihazakazaka ihany anefa ny fotoana ary miha manatona ny datim-pifidianana, tokony hisy ny fanapahan-kevitra hentitra ato anatin’ny iray volana, raha hajaina ny lalàna amin’ny fametrahana ny antotan-taratasin’ireo ho kandida. Raha tsy hoe ….hihemotra indray, angaha ny daty.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT