Mitombo hatrany ireo fikambanana iraisam-pirenena mamatsy ara-bola ny CENIT mba hanatanterahana ny fifidianana eto amintsika, handrotsaka iray tapitrisa dolara ao amin’ny Basket Fund indray amin’ity anio ny Vaomieran’ny ranomasimbe indiana (COI), midika izany fa tsy olana ny resa-bola.
Manome toky koa Rtoa Atallah Béatrice sy ny ekipany fa tsy misy atahorana ny fikirakirana ny lisi-pifidianana satria manara-penitra ny fitaovana. Efa mipoitra tsikelikely ihany koa ny anaran’ireo ho kandida, ankoatra ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina ary toa hifaninana mihitsy ho an’ireo antoko ny fanaovana kongresy nasionaly. Io ilay efa notenenina teto foana fa milamina ny ara-teknika. Mba ahoana kosa ny ara-politika ? Mbola adivarotra be hatramin’izao ny fampiharana ny tondrozotra, ny ankolafy Ravalomanana aza dia mandrahona ny tsy handray anjara amin’ny fifidianana mihitsy raha toa ka tsy tafaverina eto Madagasikara ny filoha teo aloha. Azo heverina fa demokratika sy tena hampilamina ny firenena ve ny fifidianana hotanterahana eo, raha toa ka tsy mandray anjara amin’izany ny ankolafy anisan’ny goavana indrindra eto ?
Marina fa efa voasonia ny tondrozotra ary fifidianana izao no malaza, saingy hita mibaribary izao fa tsy mbola vita ny asa fanelanelanana nataon’ny SADC, mbola misy ny zavatra tsy mazava, ka terena hoentina any amin’ny fifidianana ve izany ? Re fa efa manomana ny olony mba hanao karazana barazy, na hanembatsembana izay mety ho kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ny Frantsay, ka mety rehefa maty paika tsara angamba ny resaka izay vao avela hiditra eto sy hanendry izay ho kandidany Atoa Marc Ravalomanana. Mazava tsara izao fa misy tetika hamotehana ny ankolafy Ravalomanana any ambadimbadika any, mba tsy hahasahirana azy amin’ny fifidianana, ka inona moa ny fitoniana amin’izany fa dia mbola mitohy foana ny fifandirana e ! Tena tsy maty voalavo an-kibo araka ny fitenenana ny sasany eto, ka ny fomba fisainana dia mbola tahaka ny tamin’ny 2009 ihany, raisina ho fahavalo tsy maintsy potehana sy arodana i Marc Ravalomanana sy izay rehetra miaraka aminy. Ny zavatra rehetra atao dia nokendrena mba haminganana foana ity filoha teo aloha ity, tsy mahagaga raha tsy mety milamina tsara ny eto Madagasikara satria ny mpitarika mihitsy no manakorontana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.