«Filaminana sy fihavanana, antoky ny fahombiazana», izay indray no teny filamatra hankalazana ny asaramanitry ny 26 jona, nolanian’ny filankevitry ny governemanta omaly teny Mahazoarivo.
Dia mampanontany tena ihany hoe : inona marina moa izany no tena tiana hahatongavana eto amin’ity firenena ity ary moa va manatanteraka ny zavatra ambaran’izy ireo marina ireo mpitondra sa dia zary fahazarana fotsiny ilay hoe : tsy maintsy asiana teny filamatra isaky ny fetin’ny fahaleovantena ? Amin’izao iray volana mialoha ny fetim-pirenena izao mantsy dia misamboaravoara be ihany ny toe-draharaha, ary tsy mbola hita soritra mihitsy ny filaminana sy fihavanana fa toa vao mainka aza mifandramatra ny mpanao politika. Mamoaka fanambarana miendrika fampitandremana ny foloalindahy, io koa fa misy ny fihetsiketsehana tena mihantsy ady mihitsy, narahana fikasana saika haka an-keriny ministera ary dia hentitra ny fampitandreman’ny governemanta. Inona no filaminana sy fihavanana amin’izany ? Mibaribary be izao ny serasera sy ny fihetsika ataon’ny mpomba ny filohan’ny tetezamita fa tena mampihorohoro ny teratany vahiny eto Madagasikara. Izay tokoa ve ny vahaolana ?
Mahafantatra io zava-doza ataon’ny mpomba azy io ve ny filohan’ny tetezamita sa ahoana, sa tena izy mihitsy no mampirisika avy any ambadika, sanatria ! Nahoraka be omaly fa nisy fanangonana «Gros bras» teny Ankatso sy Ambohipo teny ka karamaina 20 000 Ariary isan’olona ireo izay mazoto. Olona efa diso fantatry ny maro loatra no nanao izany, ary efa fantatra ihany koa ny tanjona. Vetivety dia miparitaka ny vaovao eto Antananarivo, ka asakasak’ireo manana eritreri-dratsy. Tsy maintsy hipoitra foana ny marina, ary efa ela nitoratorahana koa ny sasany ka nahavaoa mason’angatra e !
Miha mivoaka tsikelikely ny marina, miseho masoandro ny tena endriky ny olona maro. Miha mazava ny zava-misy, tsy miafina intsony ireo mpanakorontana fa dia ireny efa niseho masoandro ireny. Ny olona sendra nandalo nahita ny fitangorongoronana sy ny fihetsik’ireo andian’olona omaly teny Ankorondrano dia nahatsiaro avy hatrany ny zava-nisy tamin’ny 2009, mialoha ny fandrobana sy ny fanapotehana nitranga teto an-drenivohitra. Tamin’ny 2009 no naely teto ny kolontsain’ny fandrobana sy fanapotehana ary fampihorohoroana ary samy mahalala tsara ny niketrika izany ny rehetra. Mila mailo ankehitriny satria mitady hiaka-tsehatra indray ny mpanakorontana handrava efa satria fantany, fa efa vita ny aminy ary tsy ho lasa lavitra intsony izy. Am-bava fotsiny ny hoe : fihavanana, filaminana, fitoniana, fifampiresahana, fandehanana amin’ny dinika rehetra fa ny ao an-tsaina dia korontana rehefa tsy atao ny sitrapon’ny tena. Izany ve tsy tena toetran-jaza e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.