Na dia eo aza ny fihetsiketsehana maro samihafa hiomanana amin’ny fifidianana dia sarotra ny mbola hatoky fa hivaha haingana ny krizy, raha izao zava-misy sy iainana eto amin’ny firenena izao no dinihana.
Tahaka ny milamindamin-dratsy, araka ny fomba fiteny izany ny firenena. Tsapa fa misy zavatra hafahafa any anaty fiarahamonina any, miha mitombo ny fimenomenomana, tsy matoky ny fanjakana ny olona, miha mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka, miha rava tsikelikely ilay fahendrena mampiavaka ny Malagasy. Raha manontany olona ny mpanao gazety ny amin’ny tokinaina hahatanterahan’ny fifidianana amin’ny 24 jolay, dia manomboka efa maro isa ny olona mihevitra fa mety mbola hihemotra indray io daty io. Araka ny fanadihadiana natao ihany koa dia ny afera sy fangalana ny harem-pirenena amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ataona manampahefana na olona akaikin’ny mpitondra tetezamita, no mahatonga ny olom-pirenena tsy matoky intsony an’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-miasa aminy satria tsy voafehin’izy ireo ny fandrobana harem-pirenena ataon’olom-bitsy eto, ary tena misy mihitsy ny mpitondra miray petsapetsa amin’ireo olon-dratsy.
Mety masiaka ilay tenin’ny profesora Raymond Ranjeva hoe : fitondrana jiolahim-boto no misy eto, kanefa rehefa tena dinihana ny zava-misy dia miha marina hatrany io teny io. Maro be ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy eto, fa dia sarontsaronana amin’ny fihetsiketsehana ivelany fotsiny, tahaka ny hoe trano mora, hopitaly sy kianja manara-penitra, tetikasa lalankely fa raha ny tena marina dia nanapotika ny ankamaroan’ny fiainan-tokantrano ny fisian’ny krizy tsy mety vita efa ho efa-taona izao. Tafatsangana ihany ilay Filankevitry ny fampihavanana malagasy. Goavana sy makadiry anefa ny asa miandry azy, raha tsy hiresaka afa tsy ny famotsoran-keloka fotsiny isika. Iza no homena ? Iza no tsy homena ? Asa tsy mbola mety vita koa ny fampiharana ny tondrozotra hatreto. Eo ny famoahana ireo gadra politika, ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona ary ny fodian’ny sesitany politika. Hiverina any anaty adihevitra foana ireo, raha tsy misy ny fanatanterahana azy, ary hampitombo hatrany ny fifandirana izany. Raha izao zava-misy izao dia maha kely finoana ny hampivaha ny krizy e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.