Manomboka mampiteny ny moana ny faharatsian’ny lalana eto Antananarivo Renivohitra, fa tena mitombo isa ny lavaka, maro ny sisin-dalana mihotsaka, ny orana koa vao mainka manimba ny arabe ka manova ny lavaka kely ho lavaka be.
Fantatra izao fa ny 4%-n’ny lalana tokony hamboarina monja no vita, amin’izao fotoana ho an’ny eto an-drenivohitra. Tena kely dia kely izany, ny antony moa dia tsy manana volabe hanamboaran-dalana ny Kaominina fa izay tena tsy maintsy atao ihany no atao. Ambara fa renivohitr’i Madagasikara anefa eto, fa anjaran’ny tsirairay no mandinika fa raha izao no mitohy dia hitovy laharana amina Kaominina ambanivohitra Antananarivo Renivohitra raha tsy voamboatra ara-potoana ny lalana ary voadio ny lakandrano mba tsy hiangonan’ny rano maloto eny rehetra eny. Hita sy tsapa tsara mihitsy izao fa mavesatra ny krizy, krizy daholo ny zava-drehetra, tsy mety intsony ny mazimazia natao tamin’ny 2009 sy 2010.
Naorina ny kianja sy ny hopitaly manara-penitra, natsangana ny trano mora, saingy potika ny lalana, rava ny fefiloha simban’ny orana sy ny rano miakatra ny fambolena, mihitsoka ny vokatry ny tantsaha satria tsy misy ny lalana; na tonga eny an-tsena ihany fa midangana be ny vidiny satria niakatra, hono, ny saran-dalana noho ny faharatsian’ny lalana. Dia miakatra ho azy ny vidim-piainana rehefa miakatra ny vidin’entana ilaina amin’ny andavanandro. Dia tsaroana eto ilay esoeson-teny fanaon’ny sasany fahiny hoe : ny lalana angaha azo hohanina ? Tsy nitohy intsony ankehitriny ny fanamboaran-dalana fa efa kianja sy trano no nahamaika, dia io lasa ratsy endrika io ny tanàna, miha lafo ny vidin’entana, ka atsy ho atsy mety ho olona tsy ampy sakafo no hikotrana eny amin’ny kianja manara-penitra, ka rehefa torana dia alefa ao amin’ny hopitaly manara-penitra. Arabe eto an-drenivohitra no noresahana teo, fa mbola zavatra hafa ny fahasimban’ireo lalam-pirenena. Ka asa hoe tena tsy misy marina ve ny vola, sa misy mandavaka ny kitapom-bola, ka tsy misy intsony ny azo hampiasaina hanampenana ny lavadavaka eny amin’ny arabe ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.