Politique

Donak'afo : Lasa mahery fihetsika


  • Alatsinainy 06 Mey 2013

Ankizy vao 13 taona indray no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tany Mananara Avaratra ny faran’ny herinandro teo, vokatry ny fifandonana teo amin’ny mponina sy ny polisy tany an-toerana.

 Anton’izao savorovoro izao moa ny fahatapahan’ny herinaratra matetika any an-toerana. Iny eo ihany fa ny tena nahatezitra ny olona dia nitarika fahafatesana marary iray tao anaty trano fandidiana ny fahatapahan’ny herinaratra. Nentin’ny fahatezerana ireo andian’olona koa dia nirohotra nankeny amin’ny tranon’ny tompon’andraikitry ny Jirama, nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana dia io nisy zaza tsy ampy taona maty voatifitra io. Tsy nijanona teo ny raharaha fa dia nirohotra nikaroka ny tranon’ireo polisy nitifitra indray ny olona ary dia nandrava sy nandoro entana tany. Tranona polisy maromaro no simba raha araka ny vaovao nampitain’ny RNM omaly hariva. Hita taratra avy amin’ity tranga ity fa efa tena leo ny olona, leon’ny krizy sy ny fahasahiranana ka manjary maneho ny hatezerany amin’ny fomba henjankenjana. Nisy ny fotoana nilazana fa eto Antananarivo ihany no misy krizy politika, fa ankehitriny dia efa krizy sosialy manerana ny Nosy, ary tsapa fa manomboka mahery fihetsika ny olon-tsotra ary efa tena sahy mifanandrina amin’ny mpitandro filaminana mihitsy, eny fa na dia manana basy aza ireto farany.

Tsaroana eto koa ny nitranga tany Mandritsara farany teo, taorian’ny namonoan’ny jiolahy ilay masera teratany vahiny, ka nitorahan’ny olona vato ireo minisitra saika handamina tany an-toerana. Manomboka efa manohitra ny fahefana sy ny fanjakana ny vahoaka, ka ho ratsy ihany ny mety hiafaran’izany raha tsy hita haingana ny vahaolana ary tena mijery ifotony ny maharary ny vahoaka ny mpitondra fanjakana fa tsy variana amin’ny adilahy politika. Ny tena loza amin’ny zavatra tahaka izao, dia mety hataon’ny sasany fitaovana politika handranitana ny adim-poko sy ny ady an-trano indray ilay izy. Zavatra efa nitranga tany Afrika izany ka tokony hitandremana fatratra, fa raha sanatria mipoaka ny ady an-trano eto dia izay no vita fa ho rendrika tanteraka ity Gasikara ity, dia ny vahiny no hitsentsitra ny harena be rehetra misy eto. Inona moa fa tsy izao zava-manahirana rehetra izao no mitranga dia noho ny krizy, nilokaloka hitondra fanovana teto i Andry Rajoelina tamin’ny 2009, ka anjaran’ny tsirairay no mandinika hoe : niova manao ahoana marina moa isika amin’izao fotoana !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT