Politique

Donak'afo : Lany ny vola be ?


  • Alakamisy 07 Martsa 2013

Re izao fa niato ny asa fanamboarana ireo kianja manarapenitra toy ny ao Toamasina, Fianarantsoa, Tolagnaro … Vokany, na mitokona ny mpiasa na efa niala mihitsy noho ny tsy fisian’ny vola intsony.

 Mazava ho azy fa tsy haharitra mandrakizay ilay 100 tapitrisa dolara avy amin’ny orinasa sinoa Wisco ho tambin’ny fanombohan’ny asa fitrandrahana vy ao Soalala, ary tsy hahatody lavitra koa ilay 25 tapitrisa dolara avy amin’ny tetikasa Ambatovy. Ny Tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana efa tsy mitsahatry ny mampaneno lakolosy ny amin’ny fatiantoka am-polony miliara Ariary isam-bolana, ka tena nahagaga ny fahasahian’ny filohan’ny tetezamita mbola nanambara fa hitohy ny fanorenana fotodrafitrasa goavana, ka volan’ny fanjakana malagasy manontolo, hono, no ampiasaina amin’izany. Ka vola avy aiza marina ary izy io e ? Raha ny fahafantarana azy dia tena efa manify ny vola eo am-pelatanana ka zara raha hahafahana mampandeha ny raharaham-panjakana sy manefa ny karaman’ny mpiasam-panjakana isam-bolana, fa tsy misy afaka ampiasaina amina tetikasa goavana be izany intsony.

Tena nampiaiky ny olona ny fananan’ny FAT vola satria fantatra tsara ny zavatra natao teto nanomboka tamin’ny 2008, tsy miafina intsony fa tena misy ny miaramila nahazo vola be teto, nisy mpanao politika nahazo koa, ary nahazo ny anjarany koa ireo mpanao afera. Misy fetrany ihany anefa ny zava-drehetra ataon’olombelona fa tsy misy maharitra mandrakizay izany. Henjana ny politika nampiasaina teto mba hamalifaliana ny vahoaka sy hanapenana ny masony sy ny eritreriny, saingy efa tena mitarazoka loatra ilay krizy ka manomboka sarotra amin’izay ny manafina ny tsy mety rehetra ary efa manomboka miseho masoandro tsikelikely izay nokobonina tany ho any.

Tsaroana eto ny nambaran’ireo mpiasan’ny BFV SG mitokona hoe : misy ny vola hividianana fitaovana ka nahoana no tsy misy ampaham-bola hampisondrotana ny karaman’ny mpiasa. Sao lahy ka mba diso laharampahamehana ny mpitantana, moa va tena ny fanorenana kianja sy hopitaly manarapenitra tokoa no maika amin’izao vanim-potoan’ny krizy izao, fa tsy ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka ? Ny ho ratsy amin’ity tantara ity dia sao sanatria ka tena lany tokoa ny vola ka ny fanamby hanorina sy hanangana tsy tratra, ny vahoaka miha mahantra ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT