Samy nahatsikaritra ny rehetra fa nanova paika toa lasa mpivavaka sy mpitory teny indray tato ho ato izay ny filohan’ny tetezamita.
Nambarany fa raha nivavaka nandohalika tamin’ny 4 maraina ny tenany, ny herinandro lasa teo dia nahazo karazana fanambarana avy amin’Andriamanitra ka nisy ny andinina tenin’ny Soratra Masina nosintonina tao amin’ny bokin’i Joela nozarainy tamin’ny Malagasy, ny zoma alina. Notanterahana teny Ambohitsorohitra ny sabotsy lasa ny fifadian-kanina, araka ny fangatahan’ny filohan’ny tetezamita. Raha nanakiana ny filatsahan-kofidian-dRamatoa Lalao Ravalomanana i Andry Rajoelina dia nindrana ny voalaza tao amin’ny bokin’ny Genesisy momba ny maha iray ihany ny lahy sy ny vavy rehefa nivady izy ireo. Tena soa, tena tsara ny mivavaka, ka enga anie ka tena izay marina no izy fa raha sanatria mantsy ka vavaka mihambahamba no atao dia vao mainka hiteraka ozona izany, na koa hoe afangaro amin’ny resaka serasera ny fivavahana, ka rehefa hita fa manao an’io ny mpifanandrina amin’ny tena dia mba manao koa.
Misy zavatra somary manitikitika ny saina ihany mantsy momba izao fihetsiky ny filohan’ny tetezamita tato ho ato izao. Vao re fa kandida i Lalao Ravalomanana, dia iny fa tsy nanaiky raha tsy kandida koa i Andry Rajoelina na dia efa manana kandida ofisialy aza ny antoko TGV. Tsy manaiky ny hitsoaka an-daharana i Lalao Ravalomanana, dia io fa tsy mety miala koa i Andry Rajoelina. Hita matetika any am-piangonana sy amin’ny sehatry ny finoana i Lalao Ravalomanana, dia io fa lasa mpitory teny tampoka koa i Andry Rajoelina. Ka tsy izany ve no tena kôpi kôlé, araka ny teny malaza tato ho ato eto an-drenivohitra e ? Toa izay ataon’i Neny no ezahan’i Zandry kely atao koa.
Moa va fifanandrifian-javatra ihany izany rehetra izany sa tena izay mihitsy no fomba fiadin’ny seraseran’i Andry Rajoelina ? Mety ho tsapany mantsy fa mahatarika olona i Lalao Ravalomanana, ka aleo mba manao izay ataony aloha sao mba mahatarika olona koa. Mirehareha i Andry Rajoelina fa fantatry ny any ivelany, hono, fa ho voafidy filoham-pirenena izy, ka izay no mahatonga azy ireo manakana ny filatsahan-kofidiany, ka raha efa mahatoky tena tahaka izany dia nahoana no mbola mangala-tahaka ny hafa. Ny atahorana dia variana manao kôpi kôlé an’i Neny eo sy mandrafitra izao karazana paikady any ambadimbadika rehetra any kanefa avy eo ho tratran’ny kôpi kôlé tahaka ny nahazo an’i Dada tamin’ny 2009. Dia izay ilay hoe miverina ny tantara. Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.