Raha tena ampiharina ny lalàna, ary tanterahana ny tsindry bokotry ny sehatra iraisam-pirenena dia kandida 9 izany no tokony hitsoaka an-daharana.
Tafiditra ao anatin’io ny filohan’ny tetezamita sy ireo rehetra niara-nanongam-panjakana taminy, ankoatra an-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy i Didier Ratsiraka. Tsy sanatria fanaovana tsinontsinona ny kandida hafa, fa tena voahitsakitsaka ny zon’ny vahoaka hifidy raha voatery ailika ireo kandida sasany ireo. Tsy manana ny olona noheveriny fa mety hitondra ny firenena izany ny ankolafy Ravalomanana, Rajoelina, Ratsiraka sy ireo antoko na vondrona politika lehibe tahaka ny UDR-C, Escopol … fa dia hionona amin’izay zava-misy eo. Ekena fa tsy tokony hifototra amin’ny fanarahana na fanohanana olona fotsiny ny fanaovana politika, saingy na ahoana na ahoana resaka atao sy fampiderana foto-kevitra dia tsy maintsy misy mitarika ny fanatanterahana izany, ka izay no mahatonga ny hoe : misy ny olona to teny na ifanarahana fa hitondra ny fanevan’ny antoko politika iray amin’ny fifidianana.
Raha hoe resaka filaminana sy fitoniana indray no hitondrana ny resaka, dia tsy misy mihitsy ny afaka manome antoka fa hilamina ny firenena raha misy kandida sokajiana ho matanjaka telo tsoahana tsotra izao, ary tena azo antoka fa hisy ny fitakiana, fidinana an-dalambe sy fiantsoana ny olona tsy handray anjara amin’ny fifidianana raha izay no mitranga. Dia mety hilatsaka ambany dia ambany ny tahan’ny mpifidy, ka izany ve no atao hoe : fifidianana madio sy mangarahara, demokratika, malalaka ary handraisan’ny rehetra anjara ? Fotoana angamba izao hifampidinihan’ny mpanao politika, hametrahana mazava tsara ny zavatra tena tiana hatao hanasoavana ity Madagasikara ity fa tsy miandry lava izay hevitry ny avy any ivelany. Raha vola no olana, manankarena i Madagasikara ary azo avadika vola haingana ny harena be misy eto, tsy Andriamanitra akory ny sehatra iraisam-pirenena ka hoe tsy maintsy atahorana sy ankatoavina na ahoana na ahoana ambarany. Raha mampisavorovoro ny fiaraha-miasa amin’ny tandrefana, azo hifampiresahana ny tatsinanana dia ny Arabo sy ireo firenena Aziatika izany, fa raha hifandrirarira tahaka izao foana dia hihinana vovoka sy valala angamba Ramalagasy ny farany fa reraky ny krizy politika sy tetezamita tsy mety mifarana. Na sanatria hiady an-trano dia hifamono eto, koa tsy ho loza a !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.