Handray ny asany amin’ny fomba ofisialy amin’ny alakamisy ho avy izao izy 44 mianadahy mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na ny FFM, santarina amin’ny fanaovana fianianana izany.
Hiroso amin’ny asa avy hatrany aorian’izay ka efa miandry azy ireo ao ny dosie momba famotsoran-keloka, ny fampihavanam-pirenena ary ny fanonerana ireo ara-bola ireo simba entana sy very fananana na niharam-boina nandritra ny krizy 2002 sy 2009. Ho goavana sady makadiry ny asan’ny FFM, ary azo atao mihitsy hoe miankina aminy ny mety ho tohin’ny tantara eto Madagasikara. Nisy ny zavatra tsy nirindra, tsy nety sy tsy nandeha araka ny tokony ho izy teto. Nisy ny nifandrafy, nifandimbiasana ny fanaovana valifaty. Raha fanovana tokoa no atao eto dia mila vahaolana maharitra izany rehetra izany soa kenda hahay hitsako ary soa lavo hahay hamindra, hoy ny fomba fiteny. Maro ny manantena arak’izany fa mba rafitra tena handamina marina ny FFM, fa tsy sanatria atao fitaovana politika fotsiny, ka hampiasain’ny andian’olona ho amin’ny tombontsoany. Heverina ary fa hahay hifandray amin’ny rehetra ny FFM, araka ny andraikitra tandrify azy sy araka ny tanjona tian-kotratrarina dia ny fametrahana ny fitoniana izany.
Tandra vadin-koditra amin’ny tondrozotra ity rafitra ity, ka tsy afa-miala amin’ny zavatra rehetra voasoratra ao. Ny tian-kambara dia nanaovana ankiafina hatramin’izao ilay andininy faha-20 momba ny fodian’ireo sesitany politika izay mifandraika avy hatrany amin’ny resaka famotsoran-keloka, ary tsy mifanipaka mihitsy tamin’ilay toromariky ny SADC farany momba an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Aoka hazava ny resaka fa tsy ho tanteraka araka ny tokony ho izy ny fitoniana eto raha mbola misy ny fanilihana, fa tsy misy fampihavanana ho tomombana izany eto raha raharaham-pitsarana mitongilana no hamelezana ny olona sasany, ny hafa anefa toa tsy voakitika mihitsy na dia fantatra mazava izao aza fa nanongam-panjakana ary nampiasa vola sy fitaovam-piadiana. Zavatra Azo henjehana araka ny lalàna tsara izany, satria tsy mbola misy ny lalana manome rariny mpanongam-panjakana izany na aiza na aiza eto ambonin’ny tany. Raha tena ny vahoaka maro an’isa no nitolona teto dia tsy naharitra ela be tahaka izao ny krizy fa vetivety dia tafavoaka, fa olom-bitsy no nitondra ny baolina matoa mitarazoka, ka ireo olom-bitsy ireo aza efa manomboka tsy mifanaraka. Dia ho hita eo ity fampihavanana ity e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.