Mifarana ny volana febroary. Roa volana izay no dila tamin’ity taona ity. Hiatrika fifidianana isika afaka dimy volana.
mbola misy tokotaniny ny fampihavanam-pirenena noho ny fitarazohan’ny fanombohan’ny asan’ny FFM. Mbola hitolomana hatramin’izao ny fampiharana ny tondrozotra amin’ny endriny feno, malaina hampihatra ilay andininy faha-20 mahakasika ny fodian’ireo sesitany politika ny filohan’ny tetezamita ka izay no mampitarazoka ny raharaha. Etsy ankilan’izay dia mbola miandry sonia ny fivoahan’ireo vola ilaina amin’ny fifidianana, fampanantenana famatsiam-bola fotsiny aloha, hatreto no nataon’ireo firenena vahiny fa raha ny tena marina dia mbola manify ny vola tena ao anatin’ilay “Basket Fund” raha oharina amin’ny fifidiannana rehetra hotanterahana amin’ity taona ity. Eo amin’ny lafiny ara-teknika tanteraka indray dia raikitra ny “opération” kara-panondro, manomboka ihany koa ilay fitsirihana ny anarana miverina amin’ny lisi-pifidianana.
Tokony ho vita amin’ny faran’ny volana aprily ny asa rehetra mba tsy hampisavorovoro satria any amin’ny herinandro faharoa amin’ny volana mey no tokony hivoaka ny didim-panjakana miantso ny mpifidy, raha mbola hajaina ilay hoe : 90 andro mialoha ny fifidianana no tsy maintsy hiantsoana amin’ny fomba ofisialy ny mpifidy mba handrotsa-bato. Any ho any amin’ny 23 jona any kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra ary haharitra iray volana izany. Raha atao ny kajy tsotsotra dia manana telo volana sy tapany eo ny CENI-T sy ny mpiara-miombon’antoka aminy hiomanana faramparany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Dila io fe-potoana io dia tokony efa hahazo kara-panondro daholo ireo olona 850 000, ary vita sy manara-peinitra tsara ny lisi-pifidianana, tsy misy anarana miverina na diso tsipelina, ary efa vonona koa ny fitaovana rehetra tahaka ny vata fandatsaham-bato tatera-pahazavana, ny bileta tokana ny ranomainty tsy azo kosehana sy ireo kojakoja maro samihafa hanaovana ny fifidianana. Ho ampy ve io fotoana io ? Mety ho tratra ihany ny tanjona raha ny lafiny ara-teknika tanteraka no resahana, fa raha horesahana ny famotsoran-keloka, ny fodian’ireo sesitany, ny famoahana ny gadra politika, ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona, ao anain’izany tsy maintsy hisy ny fivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta, izay tsy mihoatra ny 12 andro fa azo havaozina araka izay tiana. Ho ampy ve io telo volana sy tapany io ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.