Latsaka ambany dia ambany ny tahan’ny fandraisan’anjara tamin’ny fifidianam-paritra sy Ben’ny tanàna tany Cote d’Ivoire ny alahady lasa teo, satria nanapa-kevitra ny tsy handray anjara tamin’izany ireo mpomba ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo. Manodidina ny 30%-n’ny mpifidy voasoratra anarana no nandeha nifidy.
Tena ambany dia ambany izany ary mety tena hanahirana satria malemy fototra tanteraka izany ny fahefan’ireo olom-boafidy hitantana any Cote d’Ivoire. Na atao aza hoe tena naharesy tamin’ny fifidianana ny filoha Alassane Ouattara dia tsy maintsy hitranga ihany ny fimenomenomana sy ny tsy fitovian-kevitra satria malemy fototra ny rantsamangaikan’ny fitondrany, any amin’ny fototra. Azo ambara mihitsy aza fa ireo nifidy no nandresy tany amin’ity firenena ity. Azo hanaporofoana izany fa mbola manana ny mpomba sy ny mpanohana azy ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo izay efa eo am-pelatanan’ny fitsarana iraisam-pirenena ankehitriny. Midika koa izao fa tsy namaha ny krizy tany Cote d’Ivoire ny niakaran’i Alassane Ouattara teo amin’ny fitondrana. Mitohy foana ny fifanandrinana, mbola misy hatramin’izao ny andian’olona mitam-piadiana manafika toby miaramila, misy efa ho isan’andro ireo maty noho ny fifandonana, izao natao ny fifidianana dia io malaina maneho ny safidiny io ny Ivoarianina.
Lesona azo tsoahana amin’izany ny hoe : tsy vahaolana mihitsy ny fanilikilihana sy fanavakavahana raha tena tiana marina ny hanarina ny firenena. Ilaina ny hevitry ny rehetra ary adidin’ny mpitondra sy ny mpanao politika ny mikaroka hevitra hanasoavana ny vahoaka sy hanakanana ny fanjanahana maoderina ataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tany Cote d’Ivoire mantsy dia nibaribary be fa nitsabahan’ny Frantsay ny zava-drehetra, nanomboka tamin’ny 2001, ka io tsy mety milamina tsara io ny tany, efa ho 12 taona aty aoriana. Efa-taona izao ny tetezamita teto Madagasikara. Efa nitranga teto ny fandrobana fananan’olona, ny fanenjehana ny fanagadrana, ny famonoan’olona. Raha tsy mitandrina ny rehetra dia ho avy eto ny ady an-trano dia hibitaka ny vahiny avy eo, hangoron-karena fa ny Malagasy hifamono isam-paritra. Tsy nety raikitra ny rombo tao anatin’ny tetezamita, fa raha sanatria ka diso famindra kely fotsiny isika amin’io fifidianana ho avy io, dia mety hirefotra ihany ny gidragidra, dia izay no izy !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.