Afo nandoro sy nanapotika niampy olona maty no nametrahana izao fitondrana tetezamita izao. Nandravarava teto ny rivodoza, maro ny fefiloha vaky, dibo-drano ny tany Toliara ary tsy mbola nisy tahaka izany tato anatin’ny 30 taona.
Minisitra roa tato anatin’ny tetezamita no matin’ny lozam-pifamoivoizana dia i Malazarivo Félix vao avy minisitry ny serasera sy ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson. Nampitolagaga ny fisian’ny havandra lehibe nanapotika voly sy trano, izao dia efa ao Fianarantsoa ny andiam-balala manamaizina ny tanàna. Ny harem-pirenena amin’izany anaovan’ny andian’olona tantely afa-drakotra, potika tanteraka ny ala any atsinanana sy avaratra atsinanan’ny Nosy iny. Atahorana ho dibo-drano isan-taona ireo tanimbary midadasika any Alaotra izay sompitr’i Madagasikara. Mitady ho lasa fahazarana ny famonoan’olona amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka. Tokony hampieritreritra ny Malagasy izany loza amin’atambo mitranga izany, fa tena misy zavatra tsy mety eto matoa mahazo vahana eto ny ratsy sy ny maizina. Misy isaky ny elakela-trano ny karazam-piangonana sy antokom-pinoana samy milaza fa mitory ny famonjena amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Toa miha reraka ihany anefa Ramalagasy fa tsy mahazo hery.
Mibaribary be fa maro no mpaminany sandoka mpamita-bahoaka eto, mamorona izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao. Ao no milaza fa efa nahita an’i Jesoa (Jesôsy), ao no milaza fa efa tany an-danitra, ao no lazaina fa hitsangana amin’ny maty. Fampiesonana no betsaka ary dia mivezivezy tahaka ny firaka atakalo ireo vahoaka marivo salosana, tsy manana foto-pinoana matotra, mitety izao karazam-piangonana rehetra izao mikaroka fahagagana sy volabe. Ao anatin’izany rehetra izany dia manao ny ataony koa ny mpanao politika, mifandrirotra hatramin’izao : atao ny fifidianana e ! Tsy hatao indray ny fifidianana e ! Tsy hirotsaka ho fidiana, avy eo kandida tampoka, avy eo anefa malaina ny hiala amin’ny seza. Tsy resahana intsony ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra, ny famarotan’olona any ivelany, ka ny vehivavy sy ny ankizy no tena lasibatra.
Nipoitra tao anatin’izao tetezamita izao avokoa izao karazana varo-maizina sy afera maizina rehetra izao. Maro ny anarana mivoaka etsy sy eroa fa tsy misy mihitsy ny voasambotra, ambara foana fa mandeha ny fanadihadiana, fa avy eo toa mangina ho azy. Aiza ho aiza, ohatra, izao no tohin’ilay famonoana mpitsara tany Toliara tamin’ny desambra 2011 ? Nanao ahoana ny momba ny raharaha Nadine Ramaroson izay nizingizinin’ny fianakaviany fa tena novonoina ? Ahoana ny momba ireo kaontenera feno boaderozy mbola mihitsoka any Maorisy efa ho roa taona izao ? Fa nankaiza marina ny satroboninahitry ny mpanjaka ? Moa va najanona tanteraka mihitsy ny fikarohana an-dRemenabila ? Maro ireo efa nilaza fa ny herin’ny maizina no miasa eto Madagasikara ka mahatonga izao fahasahiranana sy fahoriana mianjady amin’ny Malagasy. Anjaran’ny tsirairay no mandinika sy mamakafaka, fa ny tena azo antoka dia misy antony ny zava-drehetra fa tsy hoe kisendrasendra foana ny fiainana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.