Politique

Donak'afo : Hazakazaka arahin-tosika


  • Talata 16 Aprily 2013

Manao angaredona ireo elanelampanahy amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara.

 Tonga eto ny iraky ny SADC mihaino ny hevitr’ireo ankolafin-kery samihafa sy mpitondra ambony momba ny fampiharana ny tondrozotra, namory fanintelony ireo mpanao sonia ny tondrozotra sy ny solontenan’ireo andrimpanjakana ny komity mpanaramaso ny tondrozotra omaly niara-nanao tombana hoe hatraiza no vita, inona no sakana ? Hihetsika ny FFKM, hamory ireo mpanao politika koa amin’ny alakamisy izao hijerena ny lalana hivoahana amin’izao krizy mitarazoka loatra izao.

Mitsitaitaika tsy arakaraka ny firaradraraky ny fanambarana filatsahan-kofidiana ny fahatongavan’ireo kandida manatitra ny antontan-taratasiny etsy amin’ny fitsarana manokana natao hisahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita etsy Ambohidahy. Valalanina ihany ny vahoaka eo anatrehan’izany. Iray zotra sa lalana samy hafa no hitarihan’ireo mpanelanelana ny Malagasy hivoaka amin’ny krizy, fa toa hazakazaka arahin-tosika izy ity, ny vahoaka milona anaty fahantrana ny raharaham-pirenena koa anefa tsy azo odian-tsy hita.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT