Tamin’ny 2008 i Madagasikara dia anisan’ireo firenena nandrandraina fa hahavita hampihena ny fahantrana, hita fa matotra kokoa noho ny nisy hatramin’izay ny fandaharanasan’ny fitondrana ary nazoto tonga teto mba hampiasa vola sy hamorona asa ny mpandraharaha avy any ivelany.
Fanamby goavana no napetraka ary efa nanomboka voafafa tsikelikely ilay hoe : «Le pays du moramora» satria nametraka ny maha izy azy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara ary hita fa tena misy ny fahavononana hivoatra. Indrisy anefa fa potika daholo izany rehetra izany rehefa tonga ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Ankehitriny dia voasokajy ho anisan’ireo firenena mahantra indrindra aty Afrika i Madagasikara, araka ny tatitra farany navoakan’ny ny Banky iraisam-pirenena. Tsy ampy sakafo ny olona, mitombo ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, mitombo ny tsy an’asa, tsy voafehy ny asan-jiolahy, miha mahazo vahana ny kolikoly amin’ny endriny rehetra.
Lasa tantara sisa izany hoe fanjakana tsara tantana sy mangarahara izany, toa mifanitsaka andraikitra ny samy manampahefana, mifanebaka imasom-bahoaka, mifanaratsy amin’ny alalan’ny filazam-baovao, samy mody fanina rehefa tafaray latabatra anaty fivoriana. Lasa manondrana koa ny olon-tsotra, ny lehibe aza tsy mahay mifanaraka sy manao ny ataony. Aiza ho aiza izao ilay vavabe nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny 2010 fa hoe vitantsika ny fifidianana na misy na tsy misy fanampiana avy any ivelany ? Nambara tamin’izany fa hoe efa manana 30 tapitrisa dolara, hono, ny fitondrana tetezamita hanatanterahana fifidianana. 2013 ihany isika izao fa mbola ankamantatra ny zava-drehetra, hita fa diso nahatoky tena loatra ny fitondrana FAT hatrany am-boalohany ka tsy nijery lavitra. Rehefa tapi-dalan-kaleha vao manome tsiny ny hafa, hay ka natao propagandy mba hahazoana fahefana fotsiny ilay hoe fanovana fa tsy tena notanterahana akory. Miha mahantra ny Malagasy ankehitriny, izay ny zava-misy ary tompon’andraikitra voalohany amin’izany ireo mpanongam-panjakana. Aoka hazava tsara ny resaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.