Tsy tonga eto Madagasikara hatramin’izao Rtoa Lalao Ravalomanana izay tokony hitsabo maika an-dreniny, ary efa nekena ny hidirany an-kalalahana eto.
Olana amin’ny fahatongavany ny fisian’ilay fepetra hafahafa nambara fa navoaky ny fiadidiana ny tetezamita sy ny Troika-n’ny SADC (?), izay mametra fa fiaramanidina manokana no hitondra azy miala any Afrika Atsimo mankaty Madagasikara fa tsy fiaramanidina mpitondra mpandeha tsotra; ary rehefa tonga eto izy dia misy koa ny fiara manokana omen’ny fiadidiana ny tetezamita azy sy mpiambina manokana. Tsy misy maharatsy ny fifanampiana mihitsy, saingy maro no mahita fa efa tena filam-baniny tsotra izao kosa no atao e ! Rehefa avela miditra eto ilay olona dia avela, izy efa nanaiky fa tsy hiresaka politika fa tonga hitsidika sy hitsabo an-dreniny, ary na teny amin’ny Magro aza tsy nisy filazana ofisialy hoe miomana fa handeha hitsena an’i Mama isika, satria efa mba samy mahalala ihany ny rehetra fa tsy maintsy misy ny fifandaminana dia hajaina izay.
Niresaka an-tariby mivantana teny amin’ny Magro ny sabotsy teo Rtoa Lalao Ravalomanana nanambara ny tena zava-misy marina, ary nolazaina fa tena nalahelo sy tohina tokoa izy rehefa nahafantatra fa nahazo taratasy indray ny kaompania Airlink fa hoe tsy mahazo mampiditra azy ao anaty fiaramanidina. Ny hita sy tsapa amin’ity raharaha ity dia heverin’ny sasany fa mitovy aminy Rtoa Lalao Ravalomanana ka hoe sahy hisangisangy amin’ny tsy fahasalaman-dreniny, na hoe ho sahy hanao ho fitaovana politika izany. Ny hafa no tsy mena-mivadika ary sahy mitsipaka tsotra izao ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniaviny in-telo; ka tsy mahagaga raha miahiahy izy hoe : sao mba manao tahaka an’izany koa ny hafa. Rehefa ekena dia ekena, avela tonga ilay olona. Efa fantatra rahateo koa raha araka ny tapakila novidiany fa mbola hiverina any Afrika Atsimo izy, fa tsy hijanona maharitra eto. Ka tsy filam-baniny tsotra izao ve ny mbola hametrahana fepetra tahaka an’izatsy na izaroa indray ? Raha manam-baovao hafahafa ny fitondrana tetezamita dia tokony hitsotra fa tsy mety aloha ny hahatongavany eto toy ny hoe misy mikasa hamono izy, ohatra na re fa misy andian’olona miketrika fanakorontanana any ho any. Raha handray fepetra tahaka izany ihany ny fitondrana tetezamita sy ny Troikan’ny SADC, dia nahoana no tsy mba nampiharina tamin’i Marc Ravalomanana izany, hatramin’izay ary navela nody teto izy ? Afaka miaro sy miambina ihany izany ny fitondrana tetezamita ary afaka mifehy tsara izay savorovoro mety hitranga.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.