Mazava aloha izany izao, araka ny fanazavana fanampiny avy amin’ny CES fa tena tara ny fanaterana ny antontan-taratasin’i Andry Rajoelina teny Ambohidahy.
Tsy hiadian-kevitra izay fanazavana nomena, ary misy antony manokana matoa nanaiky ny fitsarana manokana momba ny fifidianana. Nanaja ny lalàna velona eto Madagasikara sy ny lalàna iraisam-pirenena ary ny zo fototra maha olona izahay, hoy ny CES ary rehefa avy nandinika ny taratasy avy amin’i Andry Rajoelina nanazava ny antony naha tara ny fanaterana ny dosieny dia nanaiky izany, ary nametraka eo am-pelatanan’ny vahoaka malagasy ny fisafidianana izay olona hitondra azy. Tsotra ary mazava ny resaka eto fa tsy narahana ny didy aman-dalàna lava be. Raha tsorina ny resaka dia mitombina hatrany ny nambara teto amin’ity gazety ity fa vanim-potoana manokana no misy ankehitriny ka noho izany dia fepetra manokana, na fepetra miavaka no tsy maintsy raisina. Tsy any amin’ny izay manara-dalàna na tsia no resaka, fa ny fanapahan-kevitra hisorohana fifandirana hafa indray.
Na eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena aza dia ahitana izany. Mahalasa eritreritra ny hoe nahoana moa izany no tsy azo ampiharina amin’ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fepetra manokana tahaka izao ? Efa voasoratra ao amin’ny tondrozotra rahateo fa afaka mody an-kalalahana izy, dia tokony hidinika izany ny ao amin’ny fitsarana, ny mpitandro filaminana mba handaminana ny fodiany sy handraisana ny fepetra rehetra tokony horaisina. Ankoatr’izay dia tsy hita koa izany izay mbola hanaovana resabe momba ny filatsahan-kofidian-dRamatoa Lalao Ravalomanana, satria na hitsabo ny reniny aza no tena anton-diany tany am-boalohany dia, nanaiky handray ny andraikiny ho an’ny fireneny izy, taty aoriana ka inona no olana amin’izany. Hafa tokoa ny zava-misy rehefa mandalo tetezamita ny firenena iray, tsy midika kosa anefa izany fa hoe samy afaka manao izay tiany ka atao fialana bala indray ny hoe fepetra manokana fa misy ihany ny zavatra tsy azo leferina, indrindra fa rehefa tena hita fa hoe hitera-doza ho an’ny firenena. Saropady loatra ny asan’ny fitsarana amin’ny vanim-potoana tahaka izao iainantsika eto Madagasikara izao, satria sady afaka mandamina no afaka mampisavorovoro ny mpitsara amin’ny alalan’ny didy avoakany, indrindra fa rehefa hita mivandravandra fa mitanila ilay didy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.