Mbola mibahan-toerana amin’ny resaky ny olona etsy sy eroa hatramin’izao ny hamaroan’ny kandida ho filoham-pirenena.
Mihevitra ny olon-tsotra fa toa mifaninana tahaka ny mitrandraka harena sarobidy ireto kandida ireto, ka na ho any na tsy ho any dia miditra anaty fifaninanana ihany aloha sao mba hitsikian’ny vintana. Nisy ny fotoana nezahana nafantoka tamin’ilay enim-bolana tsy maintsy hipetrahana eto Madagasikara ny resaka. Voatonona ho tsy nahafeno ny fepetra mantsy ny kandida sasany, indrindra fa Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Rehefa niditra ho kandida koa anefa ny praiminisitra teo aloha Camille Vital dia toa nangingina io resaka io. Vao mainka koa avy eo nisisika ny amiraly Ratsiraka. Manana ny fanazavany ny mampitombina ny filatsahan-kofidian’ny kandidany ny ankolafy Ravalomanana. Misy amin’ireo kandida ireo no mbola voasazy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo olona 109 nanongam-panjakana, araka ny fehin-kevitra navoaky ny filankevitry ny filaminana sy fandriampahalemana ao amin’ny Vondrona Afrikanina, tamin’ny martsa 2010, anisan’izany ny filohan’ny HCC sady filohan’ilay Fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES), Rajaonarivony Michel.
Ity mpitsara ambony ity, raha tsorina ny resaka dia nanaiky ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009, mba ho tombontsoam-pirenena, (hono), ary nampanao fianianana azy teo Mahamasina tamin’ny 21 martsa 2009. Izy anefa izao no mitarika ilay fitsarana manokana handinika ny antontan-taratasin’ireo kandida, ka asa hoe hanao ahoana ny ho fitrangany eo ? Misy ny mihevitra fa vanim-potoana manokana no iainana eto Madagasikara ankehitriny ka tokony ho fepetra manokana koa no raisina. Rehefa nahafeno ny taratasy rehetra nilaina ireo kandida, ara-dalàna manoloana ny fandoavan-ketra, nahaloa ilay antoka 50 tapitrisa Ariary, manana fanamarinam-ponenana, mizaka ny zom-pirenena malagasy ary feno 35 taona no mihoatra, tsy voasazin’ny fitsarana dia tsy tokony hailika. Maro no mihevitra fa efa ela no nametraka fepetra manokana momba ny fifidianana sy ny filatsahan-kofidiana ny fitondrana tetezamita, ka nandinika tsara ny zava-misy sy ny mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra rehetra horaisina, fa tsy hoe telo volana mialoha ny fifidianana vao hifanome lesona eto. Sarotsarotra ihany mantsy ny handray lesona momba ny fanajana ny lalàna, avy amin’ny olona nanitsakitsaka ny lalàmpanorenana, tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.