Politique

Donak'afo : Fanetren-tena goavana


  • Alarobia 17 Aprily 2013

Miroso, miroso hatrany ny dia amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Tsy dia manan-kambara firy raha ny fahitana ny SADC satria tsy hita izay tena hoe fanamarihana goavana avy amin’Atoa Joaquim Chissano hatramin’izao aloha.

 Notsotsorin’ny komity mpanara-maso ny tondrozotra sy ireo vondrona politika koa ny resaka, ka dia tsy tokony hody mihitsy, hono ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha tsy vita ny fifidianana. Ivelan’ny tondrozotra sy ny fanelanelanana natao tanteraka izany ny resaka eto satria voalaza ao amin’ny andininy faha-20 fa afaka mody an-kalalahana ary tsy misy fepetra ireo sesitany politika ka anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Momba ny andininy faha-45 milaza fa mahaleotena ny fitsarana malagasy, izay nadikan’ny sasany fa mody eto Atoa Marc Ravalomanana dia hotsaraina ary ampidirina am-ponja, dia efa nisy ny fehin-kevitra navoaky ny fivoriamben’ny SADC nanamafy fa atsahatra avokoa ny fanenjehana ara-pitsarana manana endrika politika, efa nisy koa aza ny filazan’ny SADC fa omena famotsoran-keloka Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, ary mila dinihina ny sata manokana ho an’ireo filoha teo aloha izay hananan’izy ireo tombontsoa manokana sy manafaka azy ireo amin’ny fanenjehana ara-pitsarana.

Koa ny hamorona ny tsy misy aza mety ho ataon’ny sasany, mainka moa fa raha Atoa Marc Ravalomanana mihitsy no efa nanatsidika fa tsy hody izy raha tsy vita ny fifidianana. Tsy dia any amin’ny hoe mody na tsy mody anefa no tokony hifantohan’ny saina, fa ny fanetren-tena sy fandavan-tenan’ity filoha teo aloha ity, izay tena manao ho ambony hatrany ny mahasoa ny Malagasy fa tsy maika amin’izay maha metimety aminy. Raha ny mpanao politika sy ny mpitondra rehetra no manana izany toetra izany dia hilamina haingana ny krizy ary tsy hiverimberina intsony. Nanamafy moa izy omaly fa tsy hody mihitsy raha tsy aorian’ny fifidianana, tsy handray anjara mivantana amin’ny propagandy izany izy, koa diso avokoa noho izany ny fiheverana fa i Marc Ravalomanana no hihetsika mafy hampandany an’i Lalao Ravalomanana, eny fa na dia mpivady aza izy ireo. Aoka hilamin-tsaina sy tsy hiahiahy ianareo fa tsy resa-pianakaviana mihitsy no atao fa fikarohana ny hevitra rehetra hanavotana an’i Madagasikara amin’izao fahasahiranana manjo azy izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT