Nibaradaka ny mpandraharaha fa mbola tsy sahirana tahaka ny tamin’izao krizy izao. Izay no nambaran’ny FIVMPAMA na ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy omaly nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIM na Foire Internationale de Madagascar.
Tena samy mahatsapa ny rehetra, amin’ny sehatra rehetra fa namotika firenena ity krizy ity ary tena mbola ho tantara be ny fanarenana. Mety ho am-polo taonany mihitsy. Izay no vokatry ny fiovan-drafitra tsy manara-dalana, izay no takalon’ny fanonganam-panjakana, izay no vokatry ny fitiavan-tenan’ny mpanao politika sasany tsy mba afaka niandry fifidianana fa tonga dia nandrombaka ny fahefana. Ilay fomba fisainana sy fomba fijery mihitsy no mbola ambany dia ambany eto amintsika, ka tsy mahalala afa-tsy ny handrodana fitondrana raha vao misy olana. Tompondakan’ny fitokonana ny any Eoropa, anisan’izany i Lafrantsa, fa fikaroham-bahaolana amin’ny fitakiana no hifandresen-dahatra fa tsy fanonganam-panjakana. Any amin’ny fifidianana vao manasazy ny mpitondra nanao ny tsy nety na tsy nahafa-po azy ny vahoaka. Tompon’antoka amin’izao ny rehetra ary tokony mba handini-tena amin’izay fa tsy hifanongana isaky ny 5 na 10 taona eto foana. Mangidy ny fiainana anatin’izao tetezamita izao.
Nitombo isa be mihitsy ny zaza malagasy tsy miditra an-tsekoly intsony. Nirongatra ny asan-jiolahy sy ny asa ratsy amin’ny endriny rehetra noho ny tsy fahatahoran’ny olona intsony ny fanjakana. Tsy misy hajany intsony ny fanjakana, satria fanjakana nijoro teny an-dalam-be tsinona. Tsy misy hajany ny manampahefana satria tsikaritry ny vahoaka madinika fa toa mangoron-karena fotsiny no atao fa tsy tena mikaroka izay mahasoa ny rehetra akory. Very hasina ny andrim-panjakana satria tsy mahavita ny asa nampiandraiketina azy fa lany andro amin’ny kajy politika sy ny ady seza. Aiza koa ao anatin’ny roa herinandro nivoriana ve ny CST mbola tsy nahavita asa fa miady hevitra ny amin’ny fomba hifidianana ny filohany, ilay filoha koa avy eo milaza fa mbola tsy nametra-pialana mihitsy hono fa miandry ny ora farany, na mety tena tsy hiala mihitsy indray. Maty hasina tanteraka eo imason’ny olona ny mpitondra eto amintsika ka izay no mahatonga ny gaboraraka, lasa samy manao izay tiany ny tsirairay, afaka ovaina araka ny maha mety ny tena ny lalàna. Tsy misy intsony ny fifanampiana sy fifampitsinjovana, miha mahazo vahana ny fitiavan-tena, maka toerana ny asan’ny maizina, vola no hanampena-maso, tohizana hatrany ny fanabadoana sy fanampena-maso ny vahoaka. Ny mahafinaritra foana no maha maika ny sasany, fa ny mahasoa tsy maha dodona azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.