Politique

Donak'afo : Efa-taona aty aoriana…


  • Talata 12 Martsa 2013

Hodinihan’ny filankevitry ny governemanta ilay volavolana didim-panjakana miantso ny mpifidy amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany amin’ny 24 jolay.

 Raha ny lalàna dia 90 andro mialoha ny datim-pifidianana no tsy maintsy hiantsoana ny mpifidy, izany hoe raha amin’ny 24 jolay ny fandatsaham-bato, farafahatarany amin’ny 24 aprily izany no mivoaka ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy. Tsy dia tokony hisy olana na adihevitra be intsony moa ny amin’izy io. Heverina fa amin’ity herinandro ity ihany dia efa ho vonona ilay izy, ka anjaran’ny ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita fotsiny sisa ny mamoaka azy rehefa avy nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra. Tsikaritra fa tsy dia nisy resabe intsony tato ho ato izay ny maha mety na tsia ny datim-pifidianana, tahaka ny hoe efa manaiky ilay 24 jolay ny rehetra ary efa samy miomana any ambadibadika any. Nisy mihitsy moa ireo efa nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny tena andrasan’ny maro izao dia ny kandida mety hisolo an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, izay samy tsy afaka milatsaka hofidiana noho ilay «Ni…Ni».

Raha ny lalàna dia tsy tokony hanolotra sy hanohana kandida ny filohan’ny tetezamita, mba tsy hisian’ny fitanilana. Ny antokony (TGV)  kosa anefa dia manan-jo feno hanolotra kandida, ka izay atolotra eo no heverina fa kandidan-dRajoelina. Mbola mijanona ho ankamantatra kosa izay mety ho kandidan’ny ankolafy Ravalomanana, satria miandry ny toromarika avy any amin’ny filoha teo aloha, izay vao nanamafy tamin’ny sabotsy teo fa tonga eto Madagasikara ny tenany vao manambara izay ho kandida hatolony sy hotohanany. Tsy fantatra io na olon’ny ankolafy Ravalomanana ihany, na iray amin’ireo kandida efa fantatra na olom-baovao mihitsy. Heverina kosa aloha fa tsy maintsy hanana kandida ny ankolafy Ravalomanana ary kandida afaka hifanandrina tsara amin’ireo efa misy izany. Misy sahady ny maminavina fa ny kandida atolotry ny TGV sy ny ankolafy Ravalomanana no hiatrika ny fihodinana faharoa, ka ho hita eo izay tena hankasitrahan’ny maro an’isa. Efa-taona aty aoriana izany vao tena hifampitsapa hery, amin’ny alalan’ny latsa-bato ireo mpifanandrina politika fototra tamin’ny 2009.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT