Politique

Donak'afo : Efa fambara zavatra…


  • Zoma 10 Mey 2013

Tsara toerana aok’izany ao anatin’ny bileta tokana Rtoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Laharana faharoa izy ka azo antoka fa tena hanamora ny asa ho an’ireo hifidy azy izany

 Antsapaka no natao, madio sy mangaraharaha ary imasom-bahoaka no nanaovana azy. Tsy hisy mbola hiteny kosa angamba fa nisy zavatra tsy nazava iny antsapaka natao teny Alarobia, ny alarobia tolakandro lasa teo iny e ! Ratsy toerana tanteraka fa any amin’ny laharana faha-29 i Andry Rajoelina, laharana faha-14 i Didier Ratsiraka, faha-20 i Monja Roindefo. Mba nahazo laharana faha-5 i Roland Ratsiraka ary faha-6 i Hajo Andrianainarivelo. Eo amin’ny faha-8 vao misy ny kandida vehivavy manaraka dia any amin’ny laharana faha-16 indray avy eo. Tsy sanatria finoanoam-poana fa ireo zanak’i Dada aloha dia efa resy lahatra fa fambara zavatra ny nahatafiditra an’i Neny ao amin’ny laharana faharoa tamin’ny antsapaka natao ny alarobia lasa teo e. Nampitaintaina ny maro tokoa mantsy ny fiandrasana izay ho avoaky ny antsapaka. Samy mahafantatra ny rehetra fa misy lanjany goavana ny filaharana ao anatin’ny bileta tokana, ka efa tombony sahady ny azon’ireo kandida tsara toerana sy nahazo ny laharana mora tadidiana, tahaka ny hoe voalohany, faharoa, fahatelo, na ny farany.

Ekena fa mety efa samy mba manana ny kandida heverina fa metimety aminy ny tsirairay avy, saingy tena misy fiantraikany ara-psikolojika any an-tsain’ny olona io resaka filaharana ao anatin’ny bileta tokana io. Ankoatr’izay dia samy kandida lehilahy avooa ny laharana voalohany sy faharoa. Mbola lehilahy ihany ny faha-4 sy faha-5 ary faha-6, hany ka misongadina ho azy Rtoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy, na eo amin’ny anarana io, na eo amin’ny sary. Niadian-kevitra be teto ny hoe : tsy maintsy ny anarana ao anatin’ny kopia nahaterahana no soratana anatin’ny bileta tokana fa tsy anaram-bady, hita anefa fa ilay fanampin’anarana hoe : Lalao, izay tena Malagasy tanteraka dia efa mampiavaka sy mampisongadina, satria ahitana fanampin’anarana amin’ny teny vahiny avokoa ireo kandida vehivavy telo hafa : Brigitte, Saraha, Roseline. Malalaka ny lalan’i Neny, hoy ireo mpanohana azy, karazana fombafomba sisa no atao fa efa vita ny fifidianana, raha ny fahitan’izy ireo azy ; raha tsy hoe : hisy hanakorontana indray angaha dia tsy hisy ny fifidianana a ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT