Natao ihany ny tsy hiteny saingy efa mba tena tsy rariny kosa raha tsy milaza ny zava-misy toa hafahafa manodidina ny fifidianana eto amintsika.
Marina fa malalaka amin’ny safidiny ny tsirairay ary afaka milatsaka hofidiana ny olom-pirenena rehetra mahafeno ny fepetra. Fa na izany aza dia misy amin’ireo kandida ho filoham-pirenena kosa no diso kajy ve sa diso fifidianana ? Asa raha fantatr’izy ireo fa fifidianana filoham-pirenena anie no hatao amin’ny 24 jolay ho avy izao fa tsy fifidianana solombavambahoaka na sefo Fokontany e ! Dia tena misy marina angamba ny olona tsy manam-potoana intsony handinihan-tena sy handinihana ny zava-misy marina manodidina azy. Ny maharesy lahatra aloha dia misy ny olona mahita bizina amin’ity resaka fifidianana ity, ka na mirotsaka ho kandida dia eo vao mitady famatsiam-bola na nahazo volabe tany ho any dia iny fa mirotsaka ho kandida mba hanadala ny saim-bahoaka sy hanaparitaka ny vato fotsiny. Misy ireo kandida efa mba nanao kajikajy politika ka na fantany tsara izao aza fa mety tsy hahazo 1% akory izy dia niroboka ihany, fa amin’ny sokajim-pifidianana manaraka, angamba dia tsy maintsy ho lany, satria efa mba kandida prezida. Tsy zavatra azo hireharehantsika izany fa vao mainka aza mampibaribary fa diso fandray ny atao hoe demokrasia sy fahalalahana ny mpanao politika malagasy.
Tsy midika hoe manao izay tiany amin’ny fotoana rehetra itiavan’ny tena azy ny demokrasia, ary tsy lalaovina koa ny safidim-bahoaka na atao entam-barotra. Tsy rehefa hoe olom-baovao, dia mahavita azy tsy akory, ary tsy hoe maharaka tsara ny vaovao politika, na mandray anjara mivantana amin’ireo fandaharana miantso an-telefaonina amin’ny onjam-peo, mikirakira fandaharana politika dia lasa mahay politika sy afaka mitondra firenena. Hita izao fa tena mbola lavitry ny fanovana raha ny fomba fisainan’ny mpanao politika sy mpanambola sasany eto Madagasikara, ny hahazo fahefana ihany no mahamaika dia izay, fa rehefa tonga eo dia sahirana amin’izay, ary manilika ny tsy fahombiazana any amin’ny hafa foana. Lazaina fa misy ny manipy hoditr’akondro, misy ny mamadika, be loatra ny fahantrana navelan’ny teo aloha. Ambara izao rehetra izao hanakonana ny tsy fahaiza-miasa. Ny kabary no atao betsaka satria tena tsy voafehy ilay politika sy fitantanana firenena. Tokony ho samy handini-tena lalina ihany ny tsirairay, indrindra fa ny mpifidy fa tsy hoe izay rehetra mba manana miliara iray na roa no hisora-tena fa hitondra an’ity Gasikara ity e
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.