Sambo roa feno boaderozy no tratra tato anatin’ny herinandro. Ny voalohany teto Madagasikara, tamin’ny alakamisy ary ny faharoa, tany Maorisy tamin’ny alahady teo.
Asa na fifanandrifian-javatra na ahoana fa toa mihazakazaka be ny trafikana boaderozy sy ny fahatrararana azy, nony tena manomboka amin’izay ny fametrahana ny dosien’ireo ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Variana amin’ireo olona nanambara ny filatsahan-kofidiany ny rehetra, gaga amin’ny ady an-trano eo amin’ny samy mpiray antoko, fa ny fanondranana boaderozy an-tsokosoko mandeha ihany. Raha ny fandinihana azy dia tsy hazo vao nokapaina ireto saika naondrana ireto, fa mety anisan’ireo tahirina bolabola, mety tahiry ara-dalàna io mety tahiry tsy ara-dalàna nafenina ka avoaka tsimoramora avy eo. Ao Tolagnaro, Toamasina, Antalaha, no fantatra fa toerana iaingan’ny boaderozy aondrana.
Misy ny mihevitra fa mety misy ifandraisany amin’ny fifidianana sy ny fampielezan-kevitra itony trafikana hazo sarobidy itony, ka ny vola azo avy amin’ny fivarotana ny boaderozy no ampiasaina amin’ny propagandy, tahaka ny efa nalaza fahiny hoe ny volana safira no nampiasain’ny sasany tamin’ny propagandy. Ny loza amin’ny tranga tahaka izao fotsiny dia malaza ratsy i Madagasikara, fanindroany izao no nisy kaontenerana boaderozy avy aty Madagasikara tratra tao Maorisy, efa nisy ny tratra tany Kaomaoro, maro be ny teratany Malagasy tratra mitondra zavamahadomelina any La Réunion sy any Maorisy, malaza ratsy fa hoe Malagasy ihany koa no mpangalatra fiara any La Réunion. Isika no Nosy goavana indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indiana, kanefa isika no toa “adala” indrindra sy tara indrindra amin’ny resaka fandrosoana. Ny tena mahagaga amin’ity resaka boaderozy ity dia tsy sahy miroso lalina amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana eto amintsika, na dia efa fantapantatra ihany aza ny tena atidoha mikotrika azy io. Mpibata entana, tompona sambo, mpamilin’ny fiara, mpanera, izany foana ny olona voasambotra, dia izay ihany. Ary tena mampieritreritra tokoa ny fahamaroan’ireo kandida filoham-pirenena, satria farafahakeliny raha hanao fampielezan-kevitra mitety faritra ny kandida iray dia mila manana vola manodidina ny 2 miliara Ariary eo, kajy atao hoe tena faran’ny kely io. Ka moa va manana io vola io avokoa ireo kandida ireo ? Raha eny dia inona marina ny loharanom-bolany ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.