Nampitombo hatrany ny tsy fifankahazoana eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra ny fisamboran’olona nataon’ny DST tany Antalaha farany teo.
Nanamarika ny praiminisitra Omer Beriziky omaly fa tsy fantatry ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana tany an-toerana mihitsy ny fahatongavan’ireo iraky ny DST tany Antalaha ka tena tojo olana sy saika sahirana izy ireo. Soa ihany fa voalamina ara-potoana ny raharaha. Eo ambany fifehezan’ny fiadidiana ny tetezamita ny DST ary aminy mivantana no manao tatitra fa tsy mandalo ny praiminisitra izany. Sorena tamin’iny raharaha iny ingahy Beriziky ary nanameloka ilay fomba fiasa. Somary nanaitra kely ihany koa ny hoe : hay ve ka lasa mpikaroka sy mpisambotra olona ahiana fa manao trafikana boaderozy koa izany izao ny DST e ! Atsy aoriana kely atsy ve izany dia mety hisy olon’ny DST koa alefa hikaroka an-dRemenabila ? Efa nisy ny mpitandro filaminana natoby any amin’iny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy iny hanara-maso ity resaka boaderozy ity.
Nahoana no tsy navela nanao ny asany izy ireo fa mbola nandefasana mpitandro filaminana hafa ? Tsy afaka nifampita vaovao mihitsy ve dia izay efa tany an-toerana no nanenjika sy nisambotra izay tokony hosamborina, fa dia tsy maintsy olona iraka manokana avy aty Antananarivo no nalefa haingana tany Antalaha ? Tsy matoky ny mpitandro filaminana efa nitoby tany ve izany i Andry Rajoelina sy ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny prezidansa sa inona no antony lehibe tsy maintsy nanetsehana ny DST ? Maninona ihany koa no nahetsika tampoka ny DST rehefa tapa-kevitra niroso ireo mpanadihady eo anivon’ireo vaomiera manokana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ? Sarotra marina angamba ny miala amin’ny mahazatra e ! Ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana no tena nahafantarana an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany, dia io mbola tohizana io foana na dia efa fiaraha-mitantana aza izao no malaza eto. Ho hita eo izay tena manana lazonady amin’i Omer Beriziky sy Andry Rajoelina fa raha ny fahitana azy dia efa tena vaky mihitsy ny ady ary ho sarotra ny handamina azy. Ka aiza moa no hilamina ny tetezamita, ireo mpitarika 2 goavana indrindra ao amin’ny fahefana mpanatanteraka aza manome ohatra ratsy miady.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.