Hijanona herinandro eto Madagasikara indray ny iraky ny SADC tarihan’i Leonardo Simao, hanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra, hijery ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana ary hihaona amin’ireo vondrona politika, hono.
Tsy miova fa efa tahaka izany foana moa no anton-dian’ny SADC eto. Etsy ankilan’izay toa manjavozavo be ihany raha izay resaka fifidianana, raikitra ihany ve sa tsia ny amin’ny 24 jolay ? Ny hevitry ny olon-tsotra etsy sy eroa dia efa manomboka maro no miteny fa tsy hisy fifidianana izany eto fa hitatra ny tetezamita. Tsikaritra fa toa mifampiandry sy mifanilaka andraikitra izany ny CENI-T sy ny CES, mifandrirarira ny governemanta sy ny Parlemanta. Tsy fantatra hatramin’izao izay niafaran’ilay volavolana didy hitsivolana momba ny fanoloana ny filohan’ny tetezamita raha toa ka mametra-pialana izy.
Tsy hita tabilao hatramin’izao ny fampiharana ilay fehin-kevitra nivoaka tamin’ny diniky ny FFKM kanefa nanome toky ery ny Mgr Odon Razanakolona teny Ivato fa tsy maintsy hiresaka amin’ireo filoha efatra. Ny fivondronan’ny Eveka no namatrapatratra tamin’ny fanambarana navoakany farany, milaza ny zavatra tsy mety eto : ny tsy filaminana, ny kolikoly, ny fanangonan-karena ataon’ny olom-bitsy, ny fanomezana ny tany midadasika ireo vahiny, ary niantso ny rehetra indrindra fa ny tanora mba ho tonga saina sy handray andraikitra, tsy handainga fa hanao ny rariny sy ny hitsiny, ho tia fihavanana sady mankamamy ny aina.
Tany am-boalohany dia natsangana mba hampihavana sy hametraka ny fitoniana ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy, saingy ankehitriny kosa dia toa mampisavorovoro sy toa vao miha mampifandrafy ny mpanao politika ny zavatra ataony, tsy dia mety amin’ny olona ihany koa ny mahita ny FFM mifampikasoka amin’ny foloalindahy, indrindra fa ireo manamboninahitra ambony sasany izay efa fantatra fa manohana an’i Andry Rajoelina. Ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice, izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fifidianana moa dia tsy fantatra mazava hoe : aiza izao no misy azy, noho ny tsy fisian’ny fampitam-baovao ofisialy, fa ny fantatra dia hoe : any ivelan’i Madagasikara fotsiny izy aloha. Tsikaritra fa toa arakaraka ny maha akaiky ilay datim-pifidianana indray no toa mampitombo ny olana sy ny savorovoro, ka mahatonga hieritreritra hoe : sao dia efa fomba fiady mba hahafahana mampihemotra ny datim-pifidianana ary ity fihaonana sy dinika sy fanambarana isaky ny mihetsika ity e ? Sao lahy ka efa vita planina hatry ny ela ny tsy hahatontosa ilay fifidianana fa mba mody nanao sinema fotsiny ? Ka tsy izao toe-draharaha izao ve no atao hoe : mikatso tanteraka e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.