Politique

Dolin Rasolosoa Namikitra seza koa


  • Alakamisy 23 Mey 2013

Diso fanantenana ireo nitetika ny handray mora ny toeran’i Dolin Rasolosoa ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST.

 Tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fifidianana izay ho filohan’ny CST efa voafaritra fa hatao omaly 22 mey, araka ny tapaky ny maro an’isa tamin’ny zoma 17 mey. Na dia efa nanambara ampahibemaso fa hisintaka tsy hitarika fivoriana ao intsony aza ny jeneraly Dolin Rasolosoa noho izy kandida filoham-pirenena dia niverina an-databatra tampoka indray izy omaly ary nilaza fa “tsy hiala mandrapaha …”. Rava ny tsena, araka izany, tsy vita ny “mission” ! Nirava an-dromoromo ny fivoriana. Vao maraina dia efa nafana ny adihevitra sy fifandaharana araka ny lalàna narahin’ny fifanasana vangy teo amin’ireo samy mpikambana CST.

Ao ireo nilaza fa fanonganana filoha tsotra izao no tetehina hatao raha toa ka olona tsy nametra-pialana ary tsy voamarina ny fahabangan-toeran’ny filoha nefa misy fifidianana hanoloana azy. Ny hafa indray anefa manizingizina fa efa nifanarahana ny hanaovana fifidianana hanoloana ny filohan’ny CST ka tokony hirosoana izany. Nitohy ny tolakandro ny fivoriana ary mbola nafana ny fifandirana, ka dia nipoitra tampoka avy any Rasolosoa Dolin, tonga masiaka nampiseho ny maha jeneraly azy, tsy nisy nandaharana. Andrasana indray aorian’ny zoma raha hisy fametraham-pialany na tsia, fa dia niverina indray ilay teny malaza fahiny hoe : “tsy hiala aho : je reste”.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT