Politique

Dolin Rasolosoa Nahazo fandrahonana ?


  • Talata 28 Mey 2013


 Raha fametraham-pialana amin’ny asany no nandrasana teny amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana dia taratasy filazana fa hisintaka tsy ho anisan’ny kandida mpifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo ny jeneraly Rasolosoa Dolin, filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ka misintona ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany. Ny talen’ny kabinetrany no tonga teny Ambohidahy omaly misandratr’andro nampahafantatra io fanapahan-keviny io. Noho ny antony izay azy manokana, hoy ireo manodidina azy dia ninia tsy niantso mpanao gazety izy ireo.

Ny alarobia 22 mey, raha niverina indray nandray ny toerany maha filohan’ny CST azy ny jeneraly Rasolosoa Dolin ary nilaza fa hijanona amin’izany toerana izany mandra-paha, dia nandeha ny feo fa nahazo fandrahonana na koa fanerena mba tsy hametra-pialana ny tenany. Inona no ambadik’izany ? Izy rahateo tsy nanome fanazavana fanampiny. Inona no ho fanapahan-kevitry ny CES satria raha ny voalazan’ny lalàna dia tsy misy fisintonana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana azo ekena intsony rehefa nankatoavin’ny CES ka nampahafantarina ofisialy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT