Raisin'ny Dokotera Jean Louis Robinson ho fanakorontanana ny filaminana ny vahoaka Malagasy ny fikasana ny fitondrana hisambotra ny senatera Lylison.
Tsy mitombina raha ny fijerin’ity filohan’ny antoko Avana ity ny filazana fa tratra ambodiomby nanao heloka bevava ny loholona Lylison. Avelao ny vahoaka malagasy hifety am-pilaminana ao anatin'izao faha 56 taona niverenana ny fahaleovantena izao, hoy izy. Tokony hajanona ny adilahy politika hoy izy fa efa sempotry ny krizy ny vahoaka Malagasy.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.