Atoa Djaosera Irénée, Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana no vahin’ny Sokela anio. Nohararaotina ny fahitana azy, nangataham-panazavana manodidina ny fanesorana lehiben’ny Faritra vitsivitsy, ny fanomezana famatsiam-bola ny Faritra sy ny Kaominina ary ny tambikaraman’ny sefo Fokontany.
Tia tanindrazana (TT): Misy ny fanesorana lehiben’ny Faritra vitsivitsy, tompon-kevitra amin’io ve ianareo Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana ?
Djaosera Irénée (DI): Anisan’ny tompon’andraikitra voalohany miaraka amin’ny Ministeran’ny atitany izahay. Ny fanoloana lehiben’ny Faritra dia fanapahan-kevitra politika ka anjaran’ny minisitra roa tonta no tompon’andraikitra. Amin’ny maha Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana ny tenako dia mpanatanteraka fotsiny. Anjaranay ato izany no manatanteraka izay fanapahan-kevitry ny Minisitra. Izay no azo lazaina. Ara-teknika, raha hita fa mirona ara-politika ny tomponandraikitry ny faritra na manao fanaparam-pahefana dia antony azo analana azy izany. Raha resaka politika indray dia tsy anjaranay ato amin’ny Sekretaria jeneraly no mamaly izany.
TT: Manamafy ny filazana fa ankoatra ny politika dia noho ny tsy fahaiza-mitantana no isany antony hanesorana ireo lehiben’ny Faritra ireo?
DI: Ny fahaizana asa sy tsy fifehezana azy amiko dia arakaraky ny fijerin’ny tsirairay. Tsy voatery hitovy ny hevitra momba izany. Ny zava-dehibe dia hoe: vitan’izy ireo ve ny iraka nampanaovina azy? Manaraka ny lalàna ve ny fanatanterahany ny asany? Izay ihany no zavatra azo jerena raha amin’ny resaka ara-teknika.
TT: Tsy mety milamina mihitsy ny fanomezana famatsiam-bola ny Faritra sy ny Kaominina ary ny tambikaraman’ny sefo Fokontany. Ianareo ministera mpiahy ve no tsy mahavita ny asanareo matoa tara foana izy io?
DI: Tiako ny manazava amin’ny vahoaka Malagasy sy ny tompon’andraikitra rehetra ihany koa fa misy karazany maromaro ireo famatsiam-bola omenay. Ny Kaominina sy ny Faritra ihany anefa no tena mpahazo tombotsoa amin’izany. Raha hiresaka ny vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra isika dia ireto avy ny famatsiam-bola mankany amin’ny Kaominina : ny vola ho an’ny fampandehanan-draharaha , ny vola andoavana ny karaman’ny tomponandraikitry ny sora-piankohonana ary ny omena ny tobim-pahasalamana. Vola ho an’ny fampandehanan-draharaha kosa no azon’ny Faritra. Efa tamin’ny volana mey no nalefanay tany amin’ny Tahirimbolam-panjakana ireo famatsiana ireo. Efa lany aza ny anjara volan’ny Faritra sasany. Anjaranay no mandefa ny antontan-taratasy any amin’ny “contrôle financier” ahazoana ny “visa”. Rehefa tafaverina aty aminay ny antontan-taratasy dia anaovanay “mandatement” makany amin’ny Tahirimbolam-panjakana. Ity farany no miandraikitra ny fandefasana ny vola any amin’ny Kaominina. Raha maro ankehitriny ny Kaominina mitaraina dia tsy fantatray ny antony mahatonga ilay fahatarana. Anjaran’ny Tahirimbolam-panjakana no manazava izay angamba. Momba ny tambikaraman’ny sefo Fokontany sy ny lefiny indray dia ampidirina amin’ny teti-bola alefa any amin’ny faritra izy io raha ny fomba fanao.Ny Faritra avy eo no mitsinjara azy. Nanomboka tamin’ny 2012 anefa dia tsy nisoratra anatin’ny tetibolan’ny Ministera intsony io vola io. Efa nanatona ny ministeran’ny vola izahay mba handefasana amin’izay ny tambikaraman’ireo sefo Fokontany sy ny lefiny ireo. Tambikarama telo volana fotsiny (janoary, febroary ary Martsa) no nomen’ny Ministeran’ny vola anay tamin’ilay fifanatonana. Ny androtry ny nahazoanay ilay vola dia nalefanay tany amin’ny Tahirimbolam-panjakana avy hatrany. Ny an’ny Faritra Androy ihany no nozaraina 2 satria mihoatra ny 200 tapitrisa ny fitambaran’ny tetibola. Ny tapany voalohany dia efa any amin’ny Tahirimbolam-panjakana raha eo anivon’ny “contrôle financier” kosa ny ampahany faharoa. Iarahantsika mahalala anefa fa nitokona ny “Inspecteurs d’etat” izay maro an’isa ao amin’ny “Contrôle financier”. Tsy misy famoaham-bola azo atao anefa raha tsy mahazo ny fankatoavana avy amin’ity farany. Miandry ny famoahan’izy ireo ny “visa” ny fandefasanay azy any amin’ny Tahirimbolam-panjakana
TT: Raha fintinina izany dia tsy manana fahefana loatra ity Ministera tantaninareo ity?
DI: Raha fintinina dia tsinjaraina amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra ny fahefana. Raha ny resa-bola indray dia ny Ministeran’ny vola no manome azy fa ny fitsinjarana no anay. Torak’izany avokoa ny Ministera rehetra fa ny olana fotsiny dia ilay fahatarana sy ny tsy maha ao anaty tetibolanay ny tambikaraman’ny sefo fokotany.
TT: Isan’ireo mpitondra voasazy ve ramatoa Ministra matoa efa tany anaty fiaramanidina ho any Frantsa ny tenany tamin’ny herinandro lasa no naidina indray?
DI: Izahay ihany koa tamin’ny voalohany dia nihevitra fa sazy ilay izy satria Ray aman-dreny be tahaka ireny ve dia halaim-baraka, avoaka ny fiaramanidina nefa nilamina tsara avokoa ny antontan-taratasiny rehetra. Rehefa nanatona ny tompon’andraikitra ao amin’ny Police de l’Air et des Frontières (PAF) izahay dia nilaza izy fa noho ny tsy fisian’ny sonian’ny Sekretera jeneralin’ny prezidansa amin’ny antontan-taratasiny no nampijanonana azy. Mazava anefa ny fomba fiasa eo anivon’ny governemanta fa raha hamita iraka any ivelany ny minisitra ka ny fanjakana no miantoka azy dia mila ny sonian’ny Prezidansa amin’ny alalan’ny Sekretera jeneraly. Tsy izay anefa ny zava-misy tamin’ity satria nahazo fanasana mihitsy ramatoa Minisitra hamita ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny fampidirana herinaratra any ambanivolo. Ry zareo mpanasa no miantoka azy any an-toerana izany hoe : tsy ilaina ny fahazoan-dalàna avy amin’ny Prezidansa akory izany. Efa nohamarininay koa fa tsy isan’ireo minisitra tsy mahazo mivoaka any ivelany ny tenany. Rehefa nanatona ny tompon’andraikitra izahay dia mazava ny resaka. Niangavian’ny filohan’ny FAT mihitsy ramatoa Minisitra mba hanemotra ny diany satria zava-dehibe no dinihana amin’ity herinandro ity dia ny fanoloana ireo lehiben’ny Faritra sasany. Izy anefa no tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Raha izay no mahatsara ny fitantana dia nandefitra izy.
TT: Iza ny tompon’andraikitra nanontanianareo raha isan’ireo voasazy na tsia ramatoa Ministra?
DI: Hitanay tany amin’ny tompon’andraikitra mahefa ilay lisitra misy ny voasazy
TT: Inona no teny amarananao izao resaka izao ary?
DI: Misy mihevitra fa ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana no sakana momba ireo famatsiam-bola ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra Azo porofoina anefa fa tsy aty aminay intsony ireo izao. Anjaran’ny Tahirimbolam-panjakana no manazava ny olana mahatonga ny fahatarana. Tsy misy ifanomezan-tsiny io fa samy manana ny asany ny tsirairay. Adidinay kosa anefa no manao fanaraha-maso. Farany dia tsy afa-misaraka amin’ny fitsinjaram-pahefana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Raha sintonintsika ny fahefana any amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra dia tsy misy ny fitsinjaram-pahefana fa fivangongon’ny fahefana no misy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.