Ny zoma lasa teo no natao famotorana ny tale jeneraly ny fananan-tany teo aloha Atoa Hasimpirenena Rasolomampionona, ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, izy ity moa dia kandida ho solombavambahoaka any amin’ny Distrika Fandriana ary efa nahatafapetraka soamantsara ny antontan-taratasy rehetra, natolotry ny vovonana IRD, izay miaraka amin’ny Filoha Andry Rajoelina na kandidam-panjakana hoy ny maro.
Nanomboka ny sabotsy teo anefa dia misavorovo ireo mpanohana sy miara-dia amin’ny Filoha, izay nanolotra ity kandida ity , satria dia fafaham-baraka no azo eny anivon’ny fiaraha-monina, ary tsy manaiky intsony izy ireo ny hanohana ity kandida izay natolotry ny vovonana IRD ity. Vitsy sisa no manaiky hanohana azy ary izay no niteraka ny ady satria manalabaraka ny Filoham-pirenena sy ny mponina ao Fandriana, hoy izy ireo izao zavatra miseho izao, ary manaratsy endrika ny fitondrana. Mbola tena ao anatiny disadisa tanteraka moa ireo olona sy antoko politika anatin’ny vovonana IRD ao Fandriana amin’izao fotoana izao ary miandry izay ho fanapahan-kevitra raisin’ireo tompon’andraikitra avy aty amin’ny foibe izy ireo. Araka ny tsiliantsofina heno dia te hanohana kandida hafa izy ireo amin’ity fifidianana ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.