Politique

Distrikan’Antsalova Misy kandida mampitaraina mponina sahady


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Efa mba azo iainana kely ny fandriampahalemana, izany hoe, nihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana raha oharina amin’ny tao anatin’ny 3 volana, hoy ny manampahefana iray ao amin’ny distrikan’Antsalova.

 

 

 Ny zava-misy any an-toerana izao dia ny mahakasika ny fifidianana. Tsy tonga akory ny fifidianana dia efa misy kandida miseho azy ho kandidam-panjakana ary manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, hoy izy. Manampatra fahefana izy io ary hanananay porofo mihitsy izy milaza amin’ny vahoaka fa tsy maintsy ho lany. Manimba ny endriky ny fitondrana ny fahitanay izany fa aleo ny vahoaka no hifidy izay tokony hofidiany. Notorian’io kandida ao amin’ny distrikan’Antsalova io ho nandika lalàna koa ny lefitry ny lehiben’ny distrika ao an-toerana ary niakatra fampanoavana tao Maintirano mihitsy. Raha izao no mitohy dia hitsangana sy tsy hanaiky izahay ka manao antso avo ny fitondrana sy ny CENI handray andraikitra satria misy manararaotra ny any Ambanivohitra, hoy hatrany ny mponina any an-toerana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT